2 indray no namoy aina noho ny tsimokaretina coronavirus, araka ny tatitra ofisialy androany. Ny 1 tany Boeny ary ny 1 teto Antananarivo. Mahatratra 37 izany ny isa ofisialin’ny olona lavon’ity aretina ity teto amintsika.
Tsy mbola mihena koa anefa ny voany satria nahatratra 213 indray ny voatily vaovao androany, ka ny 193 dia teto Antananarivo avokoa, 11 tao Vakinakaratra ary samy nahitana tranga vitsy tany Atsimo, Atsinanana, Diana.
5 080 izany ny isan’ny voan’ity tsimokaretina ity hatrizay.
Miisa 116 kosa ireo sitrana androany ka mitontaly 2494 izy ireo.
2 549 ireo mbola tsaboina ka 59 ireo manana fahasarotana ara-pahasalamana.
Mitontaly 29 539 kosa ny isan’ny fitiliana vita hatrizay.
Mitsabo tena no mety
Asa na noho ny toetrandro fa mirongatra ny voan’ny tsimokaretina ankehitriny. Ankafizin’izy io, hono, manko ny hatsiaka.
Mifangaro ka tsy fantatra intsony ny soritraretina, satria toa voan’ny gripa sy seriserena ny maro, ka mikohoka sy mararirary an-doha,…. Noho izany, ilaina hatrany ny mampakatra ny fiarovan-tena amin’ny sakafo maroloko samihafa. Ilaina koa anefa ny fanafody samihafa voatondron’ny Mpitsabo.
Fa ny anisan’ny mampanahy indrindra dia ny tsy fandrenesana tsiron-kanina sy fofona. Rehefa izay no mitranga dia ampirisihana avy hatrany ny fanatonana Mpitsabo ka manao ny fitsaboana mifanaraka amin’ny ady amin’ny covid-19. Izany no atao dia ny mba tsy iandrasana ela loatra ny valim-pitiliana mety ho atao.


