CORONAVIRUS : Tsy mbola midina ny voa : 289 androany

Tahaka ny tato anatin’ny andro vitsivitsy dia tsy mbola midina loatra ny isan’ireo voan’ny coronavirus. 289 no voatily ho mitondra ny tsimokaretina androany, ka ny 249 dia teto amin’ny Faritra Analamanga, 9 Itasy, 7 Diana, 6 Analanjirofo, 4 Alaotra, 3 Atsimo Andrefana, 3 Mahajanga ary 1 Morondava. Tsy voafaritra kosa ny nisy ny 7 hafa.

4 867 izany no isan’ireo olona voa ity aretina ity ary tsapa fa mihanaka manerana ny Faritra maro eto amintsika izy ity.

91 kosa ny isan’ny olona sitrana androany, ka maro amin’izy ireo no nanao fitsaboana tany an-trano.

2 454 kosa ireo mbola manohy fitsaboana, ka 58 ireo manana fahasemporana.

1 kosa no namoy aina, ka 35 izy ireo hatrizay.

Mitontaly 29 053 kosa ny isan’ny fitiliana rehetra vita hatrizay.

Mitohy ny ady

Nanapa-kevitra ny Filankevitry ny Minisitra fa mitohy mandritra ny 15 andro indray ny hamehana ara-pahasalamana. Rahariva moa no ho heno ny antsipirihan’ny fepetra rehetra momba izany.

Ny fantatra hatreto dia tena ao anatin’ny ady amin’ity valanaretina ity ny maro, indrindra ny eto amin’ny Faritra Analamanga. Re etsy sy eroa ny olona voany sy matiny.

Tsy mahafapo ny maro anefa ny fepetra fihibohana noho ny fahantrana. Asa izay ho fepetra ho raisin’ny Fitondrana !

Vous aimerez aussi