CORONAVIRUS : Mitombo hatrany ny voany : 401 teto Antananarivo

435 ny isan’ny tranga vaovao androany ka ny 401 dia teto andrenivohitra avokoa, 20 tao Alaotra Mangoro, 5 tao Atsimo Andrefana, 3 Analanjirofo, 3 Fianarantsoa, 2 Faritra Anosy ary 1 tao Ifanadiana. Miisa 974 ny fitiliana nahitana ireo voa ireo.

Mitotaly 4578 izany ny isan’ireo nitondra sy mitondra ny tsimokaretina covid-19 eto Madagasikara hatramin’ny nisiany.

Nisy olona 104 sitrana androany, ka ny 70 amin’ireo dia notsaboina tany an-tokantrano avokoa. Mitotaly 2278 izany ny isan’ny olona sitrana eto Madagasikara amin’izao fotoana.

Miisa 2257 kosa ireo mbola manaraka fitsaboana, ka 66 ny totalin’ireo manana fahasemporana.

Tsy nisy aina nafoy tamin’ity andro ity. Mijanona ho 34 izany ny isan’ireo maty.

28 388 kosa ny totalin’ny fitilina vita hatramin’izay.

Mitombo ny fitiliana

Efa mahatratra 1000 latsaka kely ny fitiliana nahitana ireo voa 435 ireo. Mitombo, araka ny isan’ny fitiliana ny fahitana ny olona voa.

Mahavelombolo koa anefa ny fitombon’ireo sitrana notsaboina tany an-trano, izay handrisihan’ny Fitondrana ankehitriny.

Na izany aza, misy hatrany ny fanahiana ka hanomanana toeram-pitsaboana sy fitiliana vitsivitsy eto an-drenivohitra, toy ny sekoly sy fanaovana fanatanjahantena.

N’inona anefa ezaka atao, ny fitandreman-tenan’ny tsirairay ihany no hampahomby ny fandresena ity aretina ity.

Tokony ho efa zary fiainana ny fanaovana sarontava, ho an’izay tsy maintsy mivoaka.

Vous aimerez aussi