361 indray ny tranga vaovao rehetra voatily androany, ka ny 341 dia teto Antananarivo avokoa. 16 tao Antsirabe, 1 tany Andapa ary ny ambiny tsy voafaritra. Fitiliana miisa 816 moa no nahitana ireo voa ireo.
Manamafy hatrany izany fa ivon’ity valanareritna ity ny renivohitra. Mahatratra 4143 izany ny isan’ny voa hatrizay.
Na izany aza, nisy ireo sitrana izay miisa 233 androany, ka 170 no tao Tomasina, 51 Antananarivo, 11 Moramanga ary 1 Arivonimamo. Miisa 2183 izany ireo sitrana hatramin’izay.
1926 kosa ireo marary mbola tsaboina ka ny 49 no manana fahasarotana ara-pahasalamana.
1 kosa no namoy ny ainy androany, ka miisa 34 izany ireo maty hatrizay.
Ny isan’ny fitiliana hatrizay moa dia 27 504
Voatokana ny toby fandraisana marary
Manoloana ny fidangan’ny isan’ny marary eto an-drenivohitra moa dia nampitomboina ny isan’ireo toeram-pitsaboana. Notokanana androany, araka izany, ny eny amin’ny CCO Ivato, izay ahitana ampahan-toerana handray marary eo amin’ny 400 eo.
Hatao handraisana marary ihany koa ny etsy amin’ny Lisea teknika Alarobia, izay nahabe resaka tokoa androany, satria tsy ankasitrahan’ireo mponina manodidina eny Ivandry eny izany, fa tokony hatao eny amin’ny faritra ivelany kokoa.
Nanamarika anefa ny tompon’andraikitra fa tsy fotoan’ny fanilikilihana izao fa ilaina firaisankina.
Koa asa na ho fitsinjovana ny hafa tokoa izao na ho fanapariahana ny aretina ho an’ireo salama.
Ny ho avy no hamaritra !


