Miisa 209 be izao indray ny olona vaovao voatily ho mitondra ny tsimokaretina coronavirus androany, ka teto Antananarivo avokoa izy ireo. Izany hoe miisa 3782 ireo voa hatramin’izay.
Na izany aza dia betsaka ihany koa ireo olona sitrana satria nahatratra 189 izy ireo, ka ny 168 teto Antananarivo. Nisy vitsivitsy koa tany Atsinanana sy Alaotra Mangoro.
Miisa 1950 izany ireo sitrana.
Efa mihavitsy, araka izany, ny isan’ireo tsaboina, satria miisa 1799 izy ireo, ka 50 no manana fahasarotana ara-pahasalamana.
Tsy nisy kosa ny namoy aina androany.
26 688 kosa ny tontalin’ny fitiliana vita hatramin’izay.
Betsaka ireo sitrana noho ny tsaboina
Efa zava-dehibe ny hamaron’ireo olona sitrana raha oharina amin’ireo mbola tsaboina. Somary mbola vitsy ihany anefa ny isan’ny fitiliana vita isan’andro fa tsy arakaraka ny 1 000 nolazain’ny Fitondrana.
Raha mitombo anefa ny isan’ny fitiliana vita dia azo antoka fa mbola betsaka ny olona ho fantatra fa mitondra ny tsimokaretina. Ary izany no ahazoana mamehy haingana ny fiparitahan’ity aretina ity.
Soa fa efa mivonona amin’ny toerana maro samihafa ny Fitondrana mba handraisana ireo olona marary sy hanaovana fitiliana.


