CORONAVIRUS : Mahavelombolo ny isan’ireo sitrana : 574

Maro ireo voan’ny tsimokaretina coronavirus no sitrany androany. Nahatratra 574 ny isan’izy ireo.

Araka ny fanambarana dia nitsabo tena tany an-tokantrano ny ankamaroan’ireo sitrana androany ireo.

Mahatratra 1761 izany no sitrany hatrizay.

Na izany aza, mbola nahitana tranga vaovao miisa 101 androany, ka ny 96 tamin’ireo dia mbola teto Antananarivo avokoa. Nisy vitsy koa anefa tany Toamasina sy Matsiatra Ambony. Araka izany dia miisa 3573 no voa hatrizay.

Miisa 1779 kosa ireo mbola tsaboina ankehitriny, ka 53 amin’izy ireo no manana fahasemporana.

Tsy nisy trangam-pahafatesana androany.

Mitontaly 26 150 kosa ny isan’ny fitiliana vita hatramin’izay.

Mitandrina dia mitsabo

Tsapa, araka ny isan’ireo sitrana fa azo tsaboina tsara ity aretina ity na aiza na aiza misy ny marary. Na izany aza, ilaina hatrany ny fitandremana na dia tahaka ny gripa rehetra ihany aza ity tsimokaretina ity, araka ny fanambaran’ny Profesora.

Mitovy avokoa manko ny soritraretina na tazo na gripa na covid-19. Tsy dia mifanalavitra koa, noho izany, ny fototry ny fitsaboana atao. Ny fanatonana mpitsabo anefa no zava-dehibe indrindra ahazoana mamaritra ny tena aretina.

Anterina hatrany koa fa tahaka ny aretina rehetra izy ity ka tsy tokony hahamenatra satria tsy azo sokajiana ny olona voany.

Ny fanaovana sarontava ihany aloha hatreto no fiarovana azo antoka indrindra ka tokony hatao.

Vous aimerez aussi