Raha 309 ny tranga vaovao, araka ny fanambarana ofisialy androany alatsinainy dia ny 303 no teto amin’ny Faritra Analamanga, 2 tany Atsinanana, 2 menabe ary 2 tany Itasy.
Tafakatra 3250 izany ireo voa hatrizay.
1 kosa no namoy aina, ka 33 izany ny isan’ireo maty hatreto.
2082 kosa ireo an-dàla-pitsaboana ka tafakatra 45 ireo manana fahasemporana.
1135 no tontalin’ireo sitrana rehetra satria nisy 27 izy ireo androany.
25 286 kosa ny fitiliana vita hatramin’izay.
Mitombo ny fitiliana, mitombo ny voa
Fitiliana miisa 756 no natao androany ka nahitana io isa 309 mitondra ny tsimokaretina io. Midika izany fa rehefa mitombo ny fitiliana dia hita fa maro tokoa ny olona voa. Izany hoe mbola betsaka ireo olona mitondra tsimokarertina mbola miriorio any anaty fiaraha-monina any.
Rariny raha naverina ny fihibohana tanteraka eto Analamanga, izay lasa ivon’ity valanaretina ity.
Tsy maintsy ahena ny fifampikasohana mivantana satria izany no fototry ny fifindran’ny tsimokaretina.
Ho an’ireo izay tsy maintsy mivoaka ny trano kosa anefa dia fantatra fa ny fomba fiady mahomby indrindra hatreto dia ny fitondrana ny sarontava ihany, eo koa ny fielanelanana iray metatra, miampy izany ny fisasan-tànana matetika.


