222 indray no voatily androany ho mitondra ny tsimokaretina coronavirus, ka ny 210 tamin’ireo dia teto Antananarivo avokoa, 3 Vakinankaratra, ary nisy koa ny tany Toamasina, Itasy, NosyBe ary Mahajanga. Vao fitiliana miisa 578 no nahazoana io tarehimarika nataon’ny laboratoara 3 io.
3250 zany no isan’ny olona voan’ity aretina ity hatrizay.
Nahitana olona sitrana 52 kosa tamin’ity andro ity. 1157 izany no isan’ny sitrana hatramin’izay.
Miisa 2252 kosa ireo mbola tsaboina, ka nihena ho 41 ireo manana fahasarotana ara-pahasalamana.
Tsy nisy koa ny marary namoy aina tamin’ny tatitra androany.
25 864 ny tontalin’ny fitiliana vita hatrizay.
Ririnina sy fahadiovana
Anisan’ny toetrandro ahazoan’ity tsimokaretina ity aina ny hatsiaka ka ilaina ny mifehy ny sakafo hohanina. Tokony ho sakafo mafana tsara no atelin’ny tsirairay ary sakafo ara-pahasalamana indrindra ihany koa.
Ankoatra ny fahadiovan’izany sakafo izany dia zavadehibe tokoa ny fahadiovana ankapobeny, toy ireo fitaovana samihafa hikarakarana azy. Ary mbola tokony harahin’ny fahadiovan’ny tànana koa izany, satria tsy voafehy sy tsy hita maso izay voakitika rehetra ao an-tokantrano ao rehefa avy any ivelany.


