Miaramila miisa hatrany amin’ny 4 000 no hanara-maso ny fihibohana hatao eto amin’ny Faritra Analamanga manomboka anio.
Ny 500 amin’izy ireo no hisahana ny fampanarahana ny fepetra tokony hataon’ny olona.
Mbola misy koa anefa ny miaramila miisa 3 000, izay hatao fiandry ka efa vonona amin’izay ilana azy rehetra.
Ankoatra ny miaramila dia fiara miisa 20 no hisahana izany hetsika fampanajana izany fepetra fihibohana izany.
Sady manara-maso no manentana
Anio tokoa no hanomboka ny fiverenan’ity Faritra ity amin’ny fihibohana tanteraka noho ny fitombon’ireo olona voa sy matin’ny valanaretina coronavirus tato ho ato.
Koa hahetsika ireo miaramila ireo mba hanara-maso ny eny an-dàlambe sy elanelan-trano rehetra eny, ka hanome sazy raha sanatria misy ny olona mihoa-pefy.
Araka ny fanamarihana dia miaramila efa voaofana izy ireto satria efa nampandry ny fihibohana tany Toamasina.
Misy amin’izy ireo, araka izany, no efa voaofana amin’ny teknika famonjena olona tra-pahavoazana.
Araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena moa dia hizara telo izy ireo, ka hisahana ny boriboritany 6 eto Antananarivo Renivohitra.
Irariana, araka izany, mba samy hanaraka ny toromarika ny rehetra ka hanaiky ny fandaminana hatao. Andaniny, tokony hanentana koa ireo miaramila ireo fa tsy handray fepetra hentitra loatra ho an’ny vahoaka efa sahirana.


