JENERALY RAVALOMANANA RICHARD : Tsy hilefitra amin’ny tsy fanajana ny fepetra sy tsy fitondrana arovava

Tsy ny fanadiovana  intsony no sazy miandry an’ireo olona izay tratra, ka tsy manao arovava, fa mety hiafara amin’ny fampidirana “violon” no hatao raha tsorina ny resaka, hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, ny jeneraly Richard Ravalomanana. Araka ny fanazavany, dia ho mafimafy kokoa noho ny teo aloha ny sazy hampiharina ho an’izay tratra tsy manao arovava, hoy nambarany. Hiara- hisalahy amin’ny fampanarahana ireo fepetra ireo ny zandarimaria, ny polisim-pirenena ary ny tafika Malagasy. Mba tsy ho tonga amin’izay fanasaziana izay, dia nanentana ny olona tsirairay ny SEG mba hanaraka ny fepetra, ny fanaovana arovava, ny fanajana ny elanelana 1 metatra ary ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony matetika. Nomarihan’ny SEG hatrany, fa ho samborina ireo mpamerin-keloka ho an’ireo tsy manao arovava ary ampidirina “violon” avy hatrany.  Izay tratra tsy manao arovava manomboka anio, dia iray andro tontolo izy ireo no manadio, na hisy hanatitra sakafo na tsia, hoy ny jeneraly Ravalomanana Richard. Tsy ny zaridaina na ny lalana ihany no hodiovina, fa ny fanadiovana ny lakan-dranon’Andriatany. Raha mbola misy fiara mitatitra olona an-tsokosoko ihany koa, dia fampidirana foriera ny fiara, na mety hiafara amin’ny fisitonana “permis” na “licence” izany, hoy ny hatrany sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria.  Tokony ho tonga saina amin’izay ny olona tsirairay amin’ity ady atao amin’ny cornavirus ity ary tokony hanaraka ny fepetra  sy ny fitondrana arovava dia ampy izay, fa aoka tsy hiandry sazy na fahatahorana ny mpitandro ny filaminana, vao hanaraka ny fepetra, hoy ny SEG.

Vous aimerez aussi