Raikitra fa ho tanterahina ao amin’ny Doany Miarinarivo efadahy Manankasina, ao amin’ny Fokontany Tsararano Ambony, Distrikan’i Mahajanga I, anio 6 jolay ny Fitampoha na ny fanompoam-be izay fomba amampanaon’ny foko Sakalava Boeny.
Manaraka amin’ny antsakany sy andavany ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra mifanaraka amin’ny ady amin’ny valan’aretina covid-19 ny fanatanterahana izany. Io no fanapahan-kevitry ny « Organisme Mixte de Conception » na OMC Mahajanga na ireo tompon’andraikitry ny filaminana, izay notarihin’ny Prefen’i Mahajanga, taorian’ny fifampidinihana isan-tsokajiny. Niova hevitra tamin’ny ora farany ny OMC manoloana ny ahiahy amin’ny mety hisian’ny savorovoro ka nanaiky ny hanatanterahana ny Fitampoha ihany, hoy ny fanazavana voaray avy any an-toerana.


