TAKSIBE : Tsy afaka miasa mandritry ny 15 andro

Araka ny fanazavan’ny ministry ny fitaterana, dia miato manomboka anio ny sehatry ny fitateram-bahoaka “Urbain” sy “Suburbain”, mandritry ny tapa-bolana. Ny fiarakaretsaka irery ihany no afaka miasa hatramin’ny 2 ora folakandro raha mitatitra olona. Afaka miasa kosa anefa ny taksia aorian’ny amin’ny 2 ora raha hitatitra olona marary na hiteraka, na tsy maintsy hividy fanafody na “En Cas d’Urgence”, hoy hatrany ny ministra. Nambarany, fa ny moto sy ny bisikileta dia tsy afaka mitondra olona, fa olona iray ihany. Ho henjana kosa  ny sazy ho an’ireo manao taksia moto na taksia bisikileta.  Voafetra ihany koa ny fivezivezen’ny fiaran’olo-tsotra, raha ohatra ka tsy maintsy mivoaka noho ny antony hafa ary olona 3 ihany no afaka entin’ny fiara, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Voarara ihany koa ny fitondrana razana mivoaka an’Antananarivo, ato amin’ny faritra Analamanga, hoy hatrany ny ministra. Ny kamiao mpitatitra entana irery ihany no tokony afaka mivezivezy. Tsy hisy intsony ny fanomezan-dalana manokana na “autorisation” ho an’ireo mangataka izany, fa voarara, hoy hatrany ny ministry ny fitaterana. Tsy manankery intsony ihany koa ny fahazoan-dalàna teo aloha, hoy izy. Marihana, fa ny kamiao afaka mivezivezy ato amin’ny faritra Analamanga, dia manomboka amin’ny 2 ora ka hatramin’ny 8 ora alina, aorian’ny fanombohan’ny “Couvre Feu”, ka olona 3 no afaka entiny dia ny mpamily sy ny mpanampy azy ary ny tompon’ny entana. Tsara ny manamarika, fa ireo kamiao afaka hiasa sy nomena alalàna ireo dia tsy maintsy manaraka ny fepetra ara-pahasalamana.

Vous aimerez aussi