Ho mafy toy ny teo aloha ny fepetra ho raisina manomboka anio. Hihiboka manomboka anio ihany koa ka hatramin’ny 20 Jolay ho avy izao, ny eto amin ‘ny faritra Analamanga, noho ny firongatry ny valan’aretina covid-19. Nambaran’ny ministry ny serasera, ramatoa Lalatiana Andriatongarivo, fa tsy miova ny fepetra momba ny fihibohana, fa ho mafy ary ho henjanina izay fepetra izay, toa ny tsy fanaovana arovava, ny tsy fanajana ny elanelana 1 metatra. Mikatona avokoa ny bar, ny toerana fanaovana karaoke, ny famoriam-bahoaka latsaky ny 50 dia voarara ihany koa manomboka izao. Ny hetsika ara-panatanjahan-tena dia miato avokoa. Ny fiangonana rehetra tsy ankanavaka dia mihidy. Voafetra ny lalàna kosa ireo toerana tokony hisokatra, toa ny fivarotana fanafody, ny hopitaly, ny jiro sy ny rano izay tokony hiodina araka ny tokony ho izy. Ny banky, ny ministeran’ny fitsarana amin’ny “service minimum”, ny haino aman-jery ary afaka mivezivezy malalaka ny mpanao gazety rehefa mitondra ny karatra mahamatihanina, ny toerana fivarotana zavatra ilaina andavanandro na ny PPN, dia mivoha avokoa. Manentana ny rehetra mba hanaraka ny fepetra, mba tsy ho tonga amintsika ny sazy, hoy ny fanazavany. Misy ny famendrahana fanafody isaky ny amin’ny folakandro amin’ireo tsena rehetra eto an-drenivohitra sy ny ankalamanjana izay mahavory olona. Hotsinjaraina amin’ity herinandro ity ihany koa ny vatsy tsinjo, ka ireo olona tena sahirana no tokony hisitraka izany. Araka ny fanazavan’ny ministra ihany koa dia ny Boriborintany voalohany sy fahadimy dia faritra mena, satria maro no mitondra ny valan’arerina covid-19, ka hisy ny fizarana ny tambavy CVO amin’ireo toerana ireo ary ezahina hahazo izany ihany koa ny Boriborintany 6 eto Antananarivo Renivohitra, hoy izy.


