Ho mafy toy ny teo aloha ny fepetra ho raisina manomboka anio. Hihiboka manomboka anio ihany koa ka hatramin’ny 20 Jolay ho avy izao, ny eto amin ‘ny faritra Analamanga, noho ny firongatry ny valan’aretina covid-19.
Catégorie : Samihafa
HAMEHANA ARA-PAHASALAMANA : Hiverina hihiboka Analamanga
Hiverina amin’ny fihibohana tanteraka ny Faritra Analamanga manomboka ny Alatsinainy ho avy izao. Io no fanapahan-kevitra noraisin’ny Filankevitry ny Minisitra, manoloana ny fihanaky ny valanaretina. Koa hanomboka ny alatsinainy 06 Jolay ho avy izao indray izany ny 15 andro manaraka, hanarahina ny fepetra vaovao.
CORONAVIRUS : 3 indray no maty, 213 no voa vaovao
Nitombo 3 indray ny namoy ny ainy noho ny valanaretina coronavirus, araka ny tatitra ofisialy androany.
CORONAVIRUS : Miakatra izaitsizy ny fahavoazana : 216 ny tranga vaovao, 3 no maty androany
Olona 3 no namoy aina androany, noho ny tsimokaretina coronavirus. Tafakatra 29 izany ireo maty. Niakatra izaitsizy koa ny isan’ny olona voa, satria mahatratra 216 izany, ka ny 209 tamin’ireo no teto Antananarivo, 5 tao Moramanga ary 2 Toamasina.
TOEKARENA SY TSENAM-BOLA : Manahirana ny fifehezana ny fitotongan’ny ariary
Tsy voafehy ny fitotonganan’ny Ariary mitaha amin’ireo vola vahiny ifanakalozana tahaka ny Euro sy Dolara amin’izao fotoana izao.
FARITRA ANALAMANGA : Nanolotra vary 40 gony ho an’ny polisim-pirenena
Ny Faritra Analamanga dia nanolotra fanampiana sy fanohanana ny polisim-pirenena izay manatanteraka ny asany amin’izao fiezahana mamehy ny fiparitahan’ny aretina Covid-19 eto Antananarivo izao.
DEPIOTE NIVORY TENY AMIN'NY CCI IVATO : Nanao fitiliana momba ny valan’aretina Covid19
Araka ny fanazavana voaray, dia nisy tamin’ireo depiote izay nivory teny amin’ny CCI Ivato no voalaza fa voan’ny valan’aretina covid19.
BEFOTAKA ATSIMO : Zaza latsaky ny 5 taona miisa zato matin’ny aretina tazomoka
Mirongatra ny aretina tazomoka mahery vaika any amin’ny distrikan’i Befotaka atsimo amin’izao fotoana izao.
CORONAVIRUS : Mitombo hatrany ny voa : 109 androany
Nandavo olona 2 indray androany ny tsimokaretina coronavirus.Tsy mitsaha-mitombo intsony hatreto ireo olona voany. 109 indray no voatily androany, ka 88 no teto Antananarivo.
CORONAVIRUS : 100 no voa ! Mampivarahontsana !
Miisa 100 indray no indray voa tamin’ity andro ity. Maherin’ny 50 amin’ireo no teto Antananarivo. Tsy vitsy koa anefa ny faritra hafa ahitana marary vaovao. 2403 izany no isan’ny voa rehetra hatrizay.
