VATSY TSINJO : Notanterahina ny fizarana izany ho an'ny boriboritany faharoa sy faha efatra - Antananarivo Renivohitra, Distrikan'Ifanadiana - Faritra Vatovavy, ny Distrikan'i Lalangina sy Ambohimahasoa - Faritra Matsiatra Ambony

Andro faharoa tamin’ity Alatsinainy 21 febroary ity, teto amin’ny boriboritany faharoa-Antananarivo Renivohitra no nanatanterahana ny fizarana ny “Vatsy Tsinjo” izay nampanantenain’ny Fitondram-panjakana, ho an’ireo tokantrano sahirana sy traboina nohon’ny fandalovan’ny rivodoza farany teo.