« Vatsia », midika ho « Kintana » amin’ny malagasy ofisialy. Io no anarana nofinidin’ireo mpikambana 05 mianadahy mandrafitra ny tarika. Izy ireo izay avy amin’ny lafivalon’ny Nosy ny fiaviany.
Mivoy ny gadona malagasy navelan’ireo Razambe avy any avaratra ka hatrany atsimon’i Gasikara, araka izany, ny Vatsia, tarihan’i Sahala. Ity farany izay vavitokan’ny tarika ary misahana ny lafiny fihirana. Nomarihan’i Sahala fa tsy misalasala izy ireo mampiasa ireo zavamaneno nentin-drazana tahaka ny valiha, sodina ary mampiaraka izany amin’ireo zavamanenom-bahiny toy ny gitara, angorodao (taralila) mba ahafahana mitondra fanatsarana sy fampanarahana ny toetrandro ny mozika nentim-paharazana malagasy. Tsy ny zavamaneno malagasy ihany no ezahana haseho sy hampahafantarina ireo mpankafy fa mianjaika ny fomba fitafy nentim-paharazana malagasy ampahany amin’izany ny satroka, salova, hetry mampiavaka ny faritra atsimo atsinanan’ny Nosy ihany koa ireo mpikambana eo anivon’ny « Vatsia ». « Ny hanandratra ny kolontsaina malagasy navelan’ireo razana amin’ny alalan’ny mozika sy ny hamoitra ny soatoavina raiketin’izy ireny anatin’ny tononkira no antom-pisianay », hoy hatrany i Sahala nanamafy.
Maro amin’ireo Nosy rahavavy aty amin’ny ranomasimbe Indianina tahaka an’ny La Reunion, Mayotte no efa nanjifa ny taokanton’ny « Vatsia ». Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa ankoatry ny maha mpanakanto an’i Sahala ao anatin’ny habaky ny hira dia efa nilalao sarimihetsika, manoratra tantara ihany koa izy. Ity farany izay taranaka mpikabary sy mpanoratra. Mahafehy gadonkira hafa ankoatry ny nentim-paharazana malagasy ny Groupe « Vatsia ».


