MPANAKANTO « APPONAME » : 20 Taona nilalaovana Mozika

Mananika ny faha-20 taona mahery nilomanosany tao anivon’ny ranomasimben’ny hira sy ny mozika i Rakotoniaina Apponame Jocelyn. Izy izay nanambara tsy ampisalasalana fa « banga tanteraka ny fiainany raha tsy eo ny mozika » ary vary sy rano ny lehilahy sy ny mozika.

Talenta marolafy

Manana « tadim-peo » miavaka i Apponame. Vokany, afaka milalao feo ambony sy mikorisa any amin’ny antanatoham-peo farany ambany ny lehilahy. Ny feo voalohany no tazoniny eo anivon’ny Groupe Prosh’Ely ankehitriny. Ankoatr’ireo manana fanomezam-pahasoavana eo amin’ny lafiny famoronana sy fandrindrana hira ihany koa izy. Tsy voafetra amin’ny lohahevitra tokam-bolo ny tononkira jariako, hoy i Rakotoniaina Apponame Jocelyn fa misandrahaka araka ny trangam-piaraha-monina tojo ahy.

Mitendry ny gitara beso ihany koa i Apponame ary havanana amin’ny sehatry ny fanafanana lanonana noho izy tsy mifidy gadona vazoina. An-taonany maro rahateo ny lehilahy no efa niantsehatra teo amin’ny fanafanana lanonana amin’ny alalan’ny fihirana sy fitendrena zavamaneno. « Tarana-boanjo foto-boanemba », tanteraka ara-bakiteny, io ho an’i Apponame noho izy taranaka mpanakanto. Ny Dadabeny izay « Mpamaliha » (mpitendry Valiha) ary mankafy ny fitendrena gitara bagasy. Hafatra mafonja napetraky Rakotoniaina Apponame Jocelyn ny tokony hiezahan’ireo mpanakanto rehetra ho amin’ny fametrahana « Mozika mitoetra » (mahatety vanimpotoana rehetra) mahafeno ny atao hoe : « Kanto » fa tsy « mozika mandalo ». Tsy ho mora anefa izany fa mila ezaka lehibe sy faharetana ary fandalinam-pahaizana ankoatry ny talenta ho an’ireo rehetra misehatra ao anatin’ny habaky ny kanto an-kira sy mozika. Amin’izay ho fanoitra ho amin’ny fampandrosoana tokoa ny «Kolontsaina ».

Vous aimerez aussi