Misedra olana amin’ny sehatry ny fitaterana ireo vahoakan’Ambohitrimanjaka amin’izao fotoana izao. Hentitra anefa ny Ben’ny tanàna atoa Randriamanalintsoa Ihajason na Zàzà, raha nilaza fa manao izay tiany sy danin’ny kibony ireo kaoperativa 4 miasa any an-toerana dia ny FIBAMI, KOFIZA, KOFIZAM ary ny KOFIBAMI. Ny antony mahatonga an’izany, hoy ny fanazavana dia fehezin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety na ny ATT sy ny minisitera ireo fitaterana ireo, ka hany manao izay saim-patany fotsiny ireo kaoperativa ireo. “Aleo ho tantananay io fitaterana aty aminay (ndlr : Ambohitrimanjaka) io, fa hainay ny mandamina sy mandrindra io sehatry ny fitaterana io”, hoy hatrany ny Ben’ny tanàna. Tsy tokony hofehezin’ny minisitera samy irery sy ny ATT io, fa aleo hiverina eny anivon’ny kaominina dia izy ireo no mandrindra sy mandamina izany, hoy hatrany ny tatitra azo. Tsiahivana, fa nanaiky ny fifanarahana fa hanao ny asa fitaterana ara-dalàna, miainga eo amin’ny 67 ha ka hatreny Ambohitrimanjaka ireo kaoperativa ireo. Taksibe miisa 80 eo ho eo no hisahana izay fitaterana izay araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna atoa Randriamanalintsoa Ihajason. Raha ny nambaran’ity farany, dia efa tao anatin’ny 1 volana sy tapany no nanao ny fanentanana ny mponin’Ambohitrimanjaka ny mpitantana ny kaominina sy ireo mpanolontsaina ary ny mpiara-miasa amin’ny Ben’ny tanàna niaraka tamin’ireo kaoperativa. Nisy noho izany ny fanatsarana ny fitaterana eny Ambohitrimanjaka, satria, maharay fitarainana amin’ireo mpiasa sy mpianatra ary mponina mipetraka eny an-toerana ireo tompon’andraikitra, ka nahatonga izay fanatsarana ny sehatry ny fitaterana izay. Nambaran’ny Ben’ny tanàna, fa tsy lavorary ny fitaterana rehefa maraina, ka any amin’ny 3 km vao mahazo taksibe ireo mpajifa. Rehefa amin’ny 6 ora ka hatramin’ny 7 ora hariva tsy misy intsony ny taksibe, fa efa mody ny mpamily sy ny mpanampy. Ireny karazana taksibe hafa toa ny 163 na taksibe Ivato mody any Ambohitrimanjaka ireny no mitatitra ireo mponina voatery milahatra lava be, hoy hatrany ny Ben’ny tanàna. Araka ny fanazavany dia eny Ambodivona sy Ampahanimahitsy no ahitana izay filaharana lava be izay. Tsy maintsy manaraka ny bokin’andraikitra ireo kaoperativa 4 ireo, izay miasa maraina mankeny 67 ha ary mitatitra olona hatramin’ny 8 ora alina. Na vitsy aza ireo mponina mody eny Ambohitrimanjaka dia tsy maintsy haterina, hoy ny Ben’ny tanàna. Ireo taksibe tsy manao ny asany ara-dalana dia hisy ny sazy omen’ny kaominina sy zandary ary ny polisy monisipaly azy ireo. Nankalaza ny andron’ny vehivavy 8 martsa ihany koa ny kaominina Ambohitrimanjaka, ka nialohavan’ny karnavaly izany. Teo koa ny fitondrana am-bavaka ireo vehivavy sy ny renim-pianakaviana ary nofaranana tamin’ny fizarana vatomamy ny andron’ny 8 martsa tao Ambohitrimanjaka.


