PLATEFORME « GASY TONTOTRY – MAHAZO ONON-DRAHA » : Miantso ny Filoha Andry Rajoelina hamaha ireo olana maro ao Toamasina

Tena tototry ny olana isan-karazany ny vahoakan’i Toamasina, ka nivondrona tao anaty ny vovonana na Plateforme « Gasy Tontotry – Mahazo Onon-draha » izy ireo. Miantso ny Filohampirenena Andry Nirina Rajoelina izy ireo mba hijery sy hamaha ireo karazana olana maro ao Toamasina amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny filohan’ny vovonana, atoa Henri Rakotomalala, fa misedra olana goavana i Toamasina ankehitriny eo amin’ny sosialy, koa miantso ny tompon’andraikim-panjakana isan-tsokajiny izy, indrindra fa ny Filohampirenena Andry Raoelina mba hamaha ireo olana ireo, ka anisan’izany ny famoahana ny zanakin’ny faritanin’i Toamasina, atoa isany Mbola Rajaonah, Maminirina Eddy na Eddy “Bois de rose”, ary Berija izay zanak’i Toamasina. Tsy azo ekena ny fiangarana amin’ny resaka fampiharana ny lalàna, hoy izy ireo, fa raha tsy izany dia ampidiro am-ponja avokoa ireo rehetra nanao Bois de rose sy tsy nanara-dalàna. Nanao afffaires maloto rehetra tao amin’ny douanes hatramin’izay, ka hatramin’izao. Takian’izy ireo ihany koa ny fampiatoana ny antsonjay sy fanenjehana ny minisitry ny fitsarana teo aloha Imbiki Herilaza, izay mampibaribary ny fanavakavahana eo amin’ny fampiharana ny lalàna eto Madagasikara. Raha tsy izany dia sambory sy gadrao avokoa ireo minisitra manodidina ny Filoha Rajoelina Andry rehetra mandika lalàna. Tsy manaiky ny tsindry sy ny mizana tsindrin’ila amin’ny zanak’i Toamasina ity Plateforme ity. Takian’ity vovonana ity ihany koa ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena izay hanapahana ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena. Fanaovana ny “électorale constitutionnele”. Fanovana ny lalàm-pifidianana hialana amin’ny hosoka sy/ny halabato. Ny fitondram-panjakana irery ihany no tokony hanatanteraka izany. Tsy misy fifidianana azo tanterahina eto raha toa ka tsy tanteraka ireo voalaza ireo ho antoky ny fitoniana sy ara-politika, hoy ny Plateforme. Aleo mba hipetraka ny fahaleovan-tenan’ny fitsarana. Aoka izay ny fiangarana sy ny fitsinjarana ny fahefana sy ny harem-pirenena ary ny volam-bahoaka isam-paritra. Aoka mba hatsahatra ny fisamborana sy ny fanaovana ramatahora fa tsy mahasoa ny firenena izany. Mangataka ny hamahana ny olan’ny OTIV ACOA, Famonjena, Robista, Modely Sept izay mitentina amina miliara izay nisy nanodikodina tamin’ny fitondrana Tetezamita, ity vovonana ity. Takian’izy ireo ihany koa ny hanomezana ny karaman’ny mpiasa madinika ao amin’ny kaominina. Ny fanomezana ny vatsim-pianarana sy ny équipement, ny droit logement, sns, ao Barikadimy. Takian’ny Plateforme koa ny fisitrahan’ny mpiasan’ny SMMC ny zo tokony ho azy ireo izay voafaritry ny lalàna. Ny famerenana ny jiro izay tapaka lavareny, ny hetra mihoapapana alana amin’ny Tuc Tuc sy ny posiposy. Fehiny, noho izany manome iray volana an’ireo tompon’andraikitra rehetra voakasika izany ny Plateforme “Gasy Tontotry – Mahazo Onon-draha” ao Toamasina hitadiavam-bahaolana momba ireo fitakiana ireo. Maneho hatrany ny fahavononany hifampidinika an-databatra boribory ny Plateforme “Gasy Tontotry –Mahazo Onon-draha” ary manohitra ny fanonganam-panjakana sy ny adim-poko ary ny fanavakavahana izy ireo. Mitandro mandrakariva ny firaisam-pirenena sy ny fanajana ny zo maha olona ny Plateforme. Miantso ny filohampirenena Andry Rajoelina ny filohan’ny Plateforme mba handray andraikitra hamaha ireo olana voatanisa ireo ialana amin’ny mety na/sy hisorohana ny fahatezeram-bahoaka, hoy hatrany ity vovonana ity.

Vous aimerez aussi