Mihilana bebe kokoa amin’ny fiangaliana ny gadona milamina hahenoana toreo hatrany ny ankamaroan’ireo « Mpivazo evenjelika » eto an-tanàna hatramin’izay. Ny Groupe Fred’son kosa dia miezaka ary mirona tanteraka ho amin’ny fampiasana ny bankira mampisonenika am-pitoerana tahaka ny tsapiky, salegy, sns ho enti-mitory ny filazantsara sy midera an’Andriamanitra. « Fiderana mafana ». Io no anarana nasalotr’izy ireo ny mozika mitaiza fanahy, saina ary vatana lalaovin’izy ireo. Ampahany amin’ireo sanganasa efa nahafantarana ny Groupe Fred’son ny « Mpandresy » sy ny « Hafaliana ».
Nomarihan’i Denis, vovonana iadian’ny lohan’ny Groupe Fred’son fa asa fitoriana no ifotoran’ny tarika fa tsy sehatra fitadiavam-bola akory. Ankoatry ny fitaizana ara-teknika manodidina ny feo ireo mpikambana miisa 07 eo anivon’ny Groupe Fred’son dia misy ihany koa ny fifanabeazana sy fifanakalozana eo amin’ireo samy mpikambana mba ahafahan’ny tsiraiaray miaina ny finoana mandrakariva.
Amperiny ho amin’ny fanomanana ny fankalazana ny faha-5 taona nijoroany izay ho marihana amin’ny taona 2023 ankehitriny ny tarika. Ampahany amin’ny fandaharam-potoana ho amin’izany ny fitetezam-paritra sy ny famoahana kapila mangirana. Mialoha izany, efa azo ankafizina eny anivon’ireo tamban-jotran-tserasera ny vazo vaovaon’ny Groupe Fred’son ny « Fiderana maresaka ». Ity farany izay narindra amin’ny gadona « Tsapiky ».


