VARY TSINJO : Maloto !

Betsaka ny fitarainana mikasika an’ity Vary Tsinjo ity, ary tena mampalahelo ny mpanjifa. Ao ny fizarana amin’ny kapoaka Madco sy ny sisa tsy mety rehetra. Izao indray Vary maloto efa niraraka sy niraofina tamin’ny tany. Baiko avy amin’ny Filoha Rajoelina ve izany sa fanampahan-kevitra avy amin’ny BNGRC ? Mba mila valiny ireo Mpanjifa fa mijaly. Tsy azo hohanina ilay Vary fa dia ariana fotsiny koa ny akoho aza mitodi-doha.

Manararoatra ny vahoaka madinika hatrany ireo mpitondra ka tena mampalahelo. Ny Fokontany koa ve iray petsapetsa amin’izany fizarana maloto izany ? Tokony ho jerena akaiky izy ity ary hiangaviana ianao Andriamatoa Filoha hamaly amin’ity Vary maloto amidinao amin’ny vahoaka osa sy mahantra ity. Tsy rariny intsony izao fihetsika izao ary tena mampalahelo.

Mitarika zavatra betsaka eo amin’ny vahoaka izao kapoka izao fa tokony averina fara-faharatsiny ny vola nividianana azy satria mitrongy vao homana ny vahoaka. Izao izy voafitaka indray.

Sao dia tsy mety ? Ianareo mpitondra ange ka manana adidy sy andraikitra hitsinjo ny vahoaka, fa aza adino. Vary fako ve no omenareo azy ? Sady mamitaka fotoana ianareo amin’ny fizarana no mbola maloto no atolotrareo. Tsy rariny intsony !

Vous aimerez aussi