Saika efa vita avokoa ny fifamindram-pahefana teo amin’ireo minisitra vaovao notendrena sy ireo mpisolo-toerana ary efa nandray ny asany avokoa ny ankamaroan’ireo minisitra vaovao mpikambana eo anivon’ny governemanta ireo. Nitondra ny fomba fijeriny ary nitondra ny hetahetany ihany koa ny fikambanana AV7. Nambaran’ny filohan’ity fikambanana ity, atoa Andriamahanina Haja, fa miandrandra vokatra avy amin’ireo mpikambanana vaovao mandrafitra ny governemanta ny fikambanana, indrindra fa ny fijerena ny sosialim-bahoaka sy ny fiakaran’ny vidin’ny entana ilaina andavanandro na ny PPN amin’izao fotoana izao. Araka ny fanazavan’ny filohan’ity fikambanana ity hatrany, fa matoa notendrena ireo minisitra vaovao, dia ny fampitomboana ny hafainganam-pandeha na ny vitesy ny filohampirenena amin’ny fampandrosoana ny firenena no antony nametrahana fitokisana tamin’izy ireo. Nandroso soson-kevitra koa ny AV7, fa raha mikasika ny vola 60.000 ariary izay raisina isaka ny 2 volana izay sitrahan’ireo olom-bitsy, tsy aleo ve hanampiana ny mpitatitra mba tsy hiakaran’ny vidin’ny PPN sy ny vidin-tsolika, hoy ny fikambanana. Momba ny vatsy tsinjo dia saika ireo olona manankatao no mahazo izany, fa ireo tena sahirana tsy mba misitraka izany, ka tokony hisy ny “critère” hijerena ireo tena hisitraka ny vatsy tsinjo. Ny zokiolona tena sahirana tsy mahazo izany. Mikasika ny politika, dia tokony ho jeren’ny fanjakana ny tena sosialim-bahoaka. Jereo ihany koa atoa Filoha Andry Rajoelina ireo tena mpiara-mitolona izay tsy nivadi-belirano tamin’ny tolona izay natao, ny mba hanomezana azy ireo andraikitra. Ho avy ny fifidianana amin’ny taona 2023. Efa miomana amin’izany ny fikambanana AV7 ary mbola vonona ny hanohana ny filoha amperin’asa ny fikambanana.


