AMBOHIDRATRIMO : Nahazo « Bloc sanitaire » ny kaominina

Nahazo « Bloc sanitaire » ny kaominina Ambohidratrimo ary notokanana tamin’ny fomba ofisialy izany, izay notronin’ny Ben’ny tanàna, atoa Raherimanantsoa Feno, sy olo-manan-kaja maro, ka anisan’izany ny depiote roa sy ireo mpanohana ary ny tompona orinasa. Araka ny tatitra voaray tamin’ny sekretera jeneralin’ny kaominina, ramatoa Rahaingoniaina Liva Louisette, dia niavaka ny fankalazana ny andron’ny vehivavy na 8 martsa tao amin’ny kaominina Ambohidratrimo. Anisan’izany ny fisian’ny karnavaly, izay nandraisan’ireo fikambanana, sekoly ary orinasa anjara, ka nahatratra 600 ireo mpandray anjara tamin’io karnavaly io, izay niainga tao amin’ny tranompokonolona, ka nifarana tao amin’ny fokontany Atsimonimparihy. Teo ihany koa ny vako-drazana isan-karazany ary ny mpanakanto Malm no namarana ny fotoana tamin’io andron’ny vehivavy io. Ankoatra izay, dia vehivavy tena sahirana miisa 28 ihany koa no nomena fiofanana momba ny masinina indostrialy na « machine industrielle ». Navoaka tamin’ny fomba ofisialy tamin’io andron’ny vehivavy io izy ireo ary notolorana « certificat », ka ny kaominina sy ny orinasa afak’haba no tompon’antoka tamin’izany. Nambaran’ny SG ny kaominina, fa afaka miatrika asa avy hatrany izy ireo. Notoloran’ny komitin’ny 8 martsa sakafo toa ny vary, menaka ary paty ihany koa ireo zokiolona tao amin’ny kaominina, ka fokontany 9 no notsongaina tamin’ireo be antitra ireo. Vehivavy miavotse, miatrika sy mifanampy amin’ny fampandrosoana no lohahevitra noraisana tamin’ity andron’ny vehivavy tamin’ity taona ity.

Vous aimerez aussi