Saika niteraka olana teo anivon’ny boriborintany 6 avokoa ny fakana ny “Bulletin de naissance” ampiasain’ireo mpianatra amin’izao ankatoky ny fanadinana izao. Nambaran’ny delegen’ny boriborintany faharoa, atoa Rabemananjara Charmant d’Assise, fa tsy olana teo anivon’ny kaominina sy ny boriborintany ny tsy fisian’ity “ Bulletin de naissance” ity, fa olana teo anivon’ny tranom-pirinty nasionaly na “Imprimerie Nationale”. Na teo aza izay olana izay dia niezaka nitady sy nikaroka vahaolana hatrany ny boriborintany faharoa, ka azo lazaina fa niravona ihany iny olana iny, hoy hatrany izy. Amin’izao fotoana izao dia efa maro ireo ray aman-dreny sy mpianatra hanala fanadinana no maka ity “Bulletin de naissance” ity eny anivon’ny boriborintany faharoa amin’izao. Azo ambara fa mety tsy hisy intsony ny olana momba ity, izay nampimenomenona ny ray aman-dreny sy ny mpianatra ny tsy fisian’io “Bulletin de naissance” io. Tsy ny teo anivon’ny boriborintany 6 ihany no nisedra io “Bulletin de naissance” io, fa teo koa ny kaominina Anosizato sy ny manodidina.


