CODE MUNICIPAL D’HYGIENE (CMH) : Miezaka mampihatra izany ny lehiben’ny tsena Andrianjaka Isotry

Efa miezaka ny manatanteraka ny CMH na ny « Code Municipal d’Hygiène » ny mpitantana ny tsena Andrianjaka Isotry sy ireo mpivarotra. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny tsena Andrianjaka Isotry, atoa Haja Andriamahanina, dia manaiky ny fandaminana vaovao izay napetraky ny fiadidian’ny tanàna CUA, tamin’ny alalan’ny lehiben’ny tsena ireo mpivarotra.