
Ny voalohandohan’ny volana Jolay 2022 ho avy izao no heverina hanokanana amin’ny fomba ofisialy ny Ivon-toeram-pitsaboana ny aretin-tsaina (na ny Centre Medico-Psychologique), izay hitondra ny anaran’ny Dr. Andrew Davidson.
Ny Fiangonana FJKM Ambohitantely no tompon’antoka amin’izao fananganana toeram-pitsaboana, izay hita etsy Imarivolanitra izao.
Ny fahitana ny fiaraha-monina ankehitriny ianjadian’ny fahasahiranana samihafa ka lasa vesarin’ny tebin-tsaina, lasa adala ary misy mamono tena mihitsy no antony nananganana izao toeram-pitsaboana izao.

Ho fanomanana ny fisokafan’izany Ivon-toeram-pisaboana izany àry dia nisy ny famelabelaran-kevitra nokarakarain’ny Fiangonana Ambohitantely nandritra ny telo andro nisesy (20 – 21 – 22 Aprily lasa teo).
Anisan’izany ny fanazavana nentin’ny Mpitandrina Rakotonavalona Maholy, ny amin’ny « Vontoatin-kafatry ny Fiangonana eo anoloan’ny marary, indrindra ireo mavesatra entana », « Ny fifamenoan’ny fitsaboam-panahy amin’ny psikatria sy ny psikanalizy » ary ny « Fanasitranana amin’ny alalan’ny dinika sy ny fampaherezana ».
Nifandimby koa anefa ireo Mpitsabo Psychiatre, izay namelabelatra lohahevitra samihafa. Anisan’izany ny Dr. Suzette Raharinivo Chochard, izay nitondra ny « Les nouvelles maladies mentales actuelles ». Ny Dr. Norotiana Raobelle, nanao velan-kevitra momba ny « La prevention des troubles mentaux » ary ny Dr. Rafehivola Imisanavalona Hanitrinihaja, izay namelabelatra ny « Accompagner pour une bonne santé mentale ».
Nahaliana ka nahasarika olona maro tokoa ny famelabelarana rehetra nandritra izay telo andro izay.
Marihina moa fa nitarika izany fotoana izany ny Dr. Hery Rakotovero, Filoha Tale Jeneralin’ny Institut Médical de Madagascar (IMM) sady mpanorina ny AROVY Santé.






