RAHARAHA JEAN NIRINA RAFANOMEZANTSOA SY DEPIOTE ROSSY : Hivoaka anio 22 martsa ny didim-pitsarana

Niatrika fitsarana ny talata lasa teo ny filohan’ny fikambanana Hafari Malagasy ary tale jeneralin’ny orinasa Fitrama atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina, izay notorian’ny depiote Rossy fa hoe nanao teny fandrahonana sy fanalambaraka azy tao amin’ny Facebook. Efa nampanantsoina teny amin’ny zandarimaria, misahana ny heloka an’habaka na « cybercriminalité » ny tenany sy ny talen’ny serasera eo anivon’ny Fitrama atoa Herilala Andrianaivo, noho ireo fanalambaraka azy. Natao ny talata lasa teo ny fitsarana ny raharaha ary amin’ny 22 martsa ho avy izao no hivoaka ny didim-pitsarana. Tonga teny amin’ny fitsarana tamin’io andro io na ny mpitory na ny notoriana, izay notronon’ireo namana sy ny mpiara-miasa tamin’izy 2 tonta. Tsiahivana, fa efa nisy ny disadisa teo amin’izy ireo, ka izao niafara tamin’ny fitoriana izao. Andrasana ny didy izay havoaka ny fitsarana ny talata 22 martsa izao.

Vous aimerez aussi