Efa miezaka ny manatanteraka ny CMH na ny « Code Municipal d’Hygiène » ny mpitantana ny tsena Andrianjaka Isotry sy ireo mpivarotra. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny tsena Andrianjaka Isotry, atoa Haja Andriamahanina, dia manaiky ny fandaminana vaovao izay napetraky ny fiadidian’ny tanàna CUA, tamin’ny alalan’ny lehiben’ny tsena ireo mpivarotra. Ny mampiavaka ity tsena ao Andrianjaka Isotry ity, hoy ny lehiben’ny tsena dia saika hita ao avokoa ireo karazana mpivarotra maro isan-karazany. Anisan’izany ny fisian’ireo mpivaron-kazo, ny masinina fanaovana hazo sy ny seza, fandriana, sns… Tsy dia lafo ihany koa ny vidin’ny entana ao an-tsena, hoy izy. Ahitana brokatera be ao ambadiky ny « pompage ». Hita ao amin’ny tsenan’Andrianjaka koa ny karazana piesy na fiara na moto. Misy zavatra (ndlr : entana maro tsy ampoizina) hita ao an-tsena. Vao nandray ny toerana amin’ny maha lehiben’ny tsena azy atoa Haja Andriamahanina dia efa nidina sy nandamina ny tsena, ary manaiky izay fandaminana napetrany izay ireo mpivarotra. Ankoatra izay dia tsena lehibe amin’ny fanaovana “plomberie”, kojakoja momba ny fanamboarana ny fantson-drano sy jiro no hita eny Andrianjaka Isotry. Ahitana ny “Quincaillerie” ao Andrianjaka Isotry. Hita ao an-tsena koa ireo karazana zavatra natakalo, izay entin’ireo mpanakalo izay mitety sy mandehandeha eran’ny tanàna. Amin’ny ankapobeny dia milamina ny resaka fandriampahalemana, ny parking malalaka. Koa manasa antsika mpividy mba hitsidika ny tsena, ny lehiben’ny tsena Andrianjaka Isotry.


