PRINTSY ANDRY RODRIGUE : « Vahaolana ny fiverenana an-doharano »

Manoloana ny olana isan-tsokajiny zakain’ny vahoaka Malagasy ankehitriny izay miseho amin’ny endrika fahantrana lalim-paka eo ampiatrehana ny fiainana dia nivoaka tamn’ny fahanginany ny Printsy Andry Rodrigue. Antso avo miendrika vahaolana, araka izany, no nataony ny tokony hiverenan’ny Malagasy tsy ankanavaka (Mpitondra sy Vahoaka) ho amin’ny fanomezan-kasina indray ny Soatoavina malagasy navelan’ireo razam-be izay antoka hampirindra indray ny fiainam-piaraha-monina eto Madagasikara. Io ilay hoe : « Fiverenana an-doharano », hoy ny Printsy Rakotoarisoa Andry Rodrigue nanantitra.

Anisan’ny efa fizorana ho amin’izany « fiverenana an-doharano » izany, hoy hatrany ny Printsy Andry Rodrigue ny fankalazan’ny Ambanilanitra tsy ankanavaka ny « Taombaovao malagasy » sy ny fanomezan-kasina azy indray. Ny « Taombaovao malagasy » izay raha atao indray mielatra dia fotoana hamitranana ny fihavanana marisarisa na efa tapaka mihitsy, fifamelana, fampanjakana ny firaisankina ary famalonana tanteraka ireo rehetra tsy nety (Ratsy) vita nandritra ny taona ka hametrahana fijery vaovao mba hahafahana manatratra ny taona zina ho henika fahombiazana ary ho lavitry ny disadisam-piaraha-monina sy ny fitsitokotokonana noho ny hevitra tsy mitovy na fiaviana. Raha tanteraka ireo, handroso i Gasikara fa tsy tahaka ny misy ankehitriny izay toa fampiesonana sy fampatoriana mitsangana amin’ny alalan’ny fampanantenana poakaty lavareny laroina lainga tsara lahatra hezin’ny akoho tokan’anaka no iainan-dRamalagasy izay fadiranovana tanteraka noho ny fahantrana niniana novolena.

Vous aimerez aussi