
Kalo Martin Fernando no tena anaran’ity mpanakanto Zanak’Antalaha ity fa valovotaka teto Analamanga. Nofinidiny manokana ho anarana isalorana eo am-pamakivakiana ny lalan-tsarotry ny mozika ny « Moenyh » adika tsotra hoe : tovolahy kely. Endrika tsy zoviana loatra ho an’ireo mpankafy ny kanto an-kira i Moenyh noho ity farany efa mpikambana nisahana ny lafiny feo sy ny « Percussion » (aponga) ary ny fandihizana teo anivon’ny tarika Big Mj.
Ankehitriny efa hary elatra ny tovolahy koa tapa-kevitra ny hizotra irery hamakivaky ny habaky ny mozika. Tombony ho an’i Moenyh ny fananana talenta marolafy toy ny fahaiza-mihira amin’ilay feo mahatakatra ny avo sy afaka midina ambany somary mikasoka nefa kanto. Havanana amin’ny sehatry ny fandihizana ary mahay manajary soradihy koa ny tovolahy. Ambony apangan’ireo ny talenta amin’ny fitendrena zavamaneno sy ny tontolon’ny « Haify ».
« Ny mamokatra kanto an-kira hanabe, hitaiza ary hampita hafatra amin’ny endrika kanto hanjary fialamboly mitaiza ny vatana, saina ary ny fanahy ho an’ny fiarahamonina tsy ankanavaka. Ireo mitambatra antom-pisiako eo anivon’ny tontolon’ny kanto », hoy i Moenyh.
Ny fiketrehana « Mozika mateza » mahatety vanimpotoana ary tsy ho vasoky ny fotoana maro mifandimby, araka izany,no imatesan’i Moenyh izay efa naharitra efa-taona katroka izao. Ampahany amin’ireo vazony efa vita rindran-tsary ary efa tazana sy heno eny anivon’ireo haino aman-jery ny « Hiareta iô » narindra amin’ny gadona mihetsika manaraka ny vanimpotoana ankehitriny ary manafatra ny isam-batan’olona fa izay nafafy ihany no jinjaina eto an-tany. Mampiavaka ny sanganasan’i Moenyh ny fanambarana ban-kira roa tahaka ny « zouk » sy ny « afro beat » hanjary mozika kanto sahaza ny isam-baravarana. Nanolotra fisaorana manokana ho an’ilay kitapo nifonosany i Kalo Martin Fernando noho ny tohana tsy ankiato nataon’ity Reniny ity ho azy tsy hiala vehana amin’ny fikirakirana ny mozika izay anisan’ny taranja sarotra ihany koa raha tsy misy talenta sy ny finiavana ary ny faharetana.


