BEN’NY TANANAN’AMBOHIDRATRIMO : Nampifaly ny mponina nandritry ny fetin’ny paska

Sahala ny hetsika izay tsy vita hatramin’izay satria noho ny fisian’ny hamehana ara-pahasalama teto anivon’ny firenena ary teto amin’izao tontolo izao, dia samy nangetaheta fety daholo ny vahoaka rehetra ka an’isany izany ny vahoakan’Ambohidratrimo. Nambaran’ny ben’ny tanàna fa anisan’ny nampiavaka azy ny fanomezana fahafam-po an’ireo olona amin’ny lafiny fety. « Izany hoe fanomezana fahafam-po amin’ny fety izany dia haintsika izany ary tena hain’ny kaominina ary anisan’ny mba mahatanora ihany koa. Misy fotoana iasan’ireo vahoaka ireo ary misy fotoana tena hialana sasatra, nefa misy fotoana koa hialana voly. Arak’izany dia efa niteny izahay eto anivon’ny mpitantana ny kaominina, fa amin’ny Paska dia niezaka izahay mba nandondom-baravarana an’ireo mahalala tanana sy ireo tapaka sy namana izay afaka manome tanana ny kaominina hanomezana fahafaham-po ny vahoaka eto Ambohidratrimo ka nanomboka ny sabotsy teo no nanomboka ny fety teto Ambohidratrimo. » Marihana fa io fety io dia fampilalaovana ny ankizy, ny tanora, ny Ray aman-dReny koa mety hiala voly ao . Ny Sabotsy dia nisy hetsika maro samihafa hita tao. Anin’izany ny manezy, ny soavaly hazo. Nisy ihany koa ireo soavaly tena izy, tonga tao an-toerana izay niodikodina ny rano tao Amparihy. Nisy kilalao hafa ihany koa ao izay karakarain’ny ekipa ao amin’ny kaominina, nisy olona mpikarakara kely ihany koa tonga nanatevina ny hetsika.

Ny alahady teo dia mitovitovy amin’izay, fa ny mampiavaka azy dia ny fisian’ireo tanora tao an-tanàna naneho ny talentany amin’ny fahaizana mandihy sy mihira. Ny alatsinainy izay ivon’ny fankalazana ny fetin’ny Paska sady fitsangatsanganana eto amintsika dia nisy fampisehoana tao izay niarahana tamin’ny mpanakanto maro, ka anisan’izany ny mpanakanto malaza izay miisa 5 toy ny tarika Sakelidalana miaraka amin’i Noely Kely, Odyai, Tonton Jess, O’black sy ny maro. Marihana fa tena resaka fety fotsiny tamin’ireo 3 andro ireo mba hialana voly sy hialana sasatra ary vita io hetsika io dia hiatrika fampandrosoana indray ny kaominina miaraka amin’ny vahoaka. « Ho an’ny kaominina Ambohidratrimo, ny nampiavaka ny Paska dia ity fotoana voalohany niarahan’ny ben’ny tanàna, satria hatramin’izay dia tsy afaka nikarakara, hoy aho, fa tamin’ ity dia tena nikarakara sy nanao izay tratra ny sainay no natolotray am-pitiavana ho an’ny vahoakan’Ambohidratrimo. » Ny nampiavaka azy ihany koa dia ny ekipan’ny kaominina iray manontolo no nanolotra ny hetsika sy tompon’antoka amin’ny hetsika niarahana tamin’ireo mpanolon-tsaina sy ireo fokontany 9 ato anatin’ny kaominina Ambohidratrimo. Ny lalao maro isan-karazana dia tsy maintsy misy fandraisana anjara kely toy ny kilalao rehetra, satria olon-tsotra no tompony fa kosa ny fampisehoana dia maimaimpona, tsy nandoavam-bola ny fanatrehana ny fampisehoana fa ny kaominina no nandoa sy nanolotra ny volan’ny mpanakanto tamin’ny alalan’ilay mahalala tanana izay nanome tanana ny kaominina sy ireo ekipan’ny kaominina. Ny nangatahana fotsiny dia mba nisian’ny filaminina sy fandriampahalemana. Inoana fa nilamina ny tao satria ny mpitandro filaminana izay mpirahalahy mianala amin’ny kaominina dia eo an-tokontany mpitandro filaminana no nanaovana ny fampisehoana, satria ao Amparihy dia akaiky ny birao ny zandary. Ny fandriampahalemana dia azo lazaina fa nilamina ary ny vahoakan’Ambohidratrimo koa nilamina. Ny alatsinain’ny paska dia nanomboka tamin’ny 10 ora maraina ny fety ary dia efa nahitana hetsika. Nitarika tao ny ekipan’ny Sakelidalana sy ny mpanankato vitsivitsy. Tamin’ny 2 ora tolakandro no tena nanomboka ny fampisehoana goavana niarahana tamin-dry Odyai, Tonton Jess, izay nifandimby teo niaraka tamin’ny O’Black. Nisy koa artista anankiray izay tena manana ny maha izy azy tao.

Vous aimerez aussi