GROUPE « ISANTA » : Mivazo ny fiainana

Ny taona 2016 no nahita masoandro ny Groupe « Isanta ». Raveloarimisy James no angady nananana sy vy nahitana ity tarika avy any Matsiatra Ambony ity. I James izay vao teo amin’ny faha-06 taonany dia efa nanajary tononkira sy nitendry gitara. Raha toa ka nirona tamin’ny famoronana hira mitaiza fanahy « Hira evenjelika » ho an’ireo antoko mpihira sy ny sekoly izy sy ny Groupe Isanta tany am-piandohana, ankehitriny, efa misandrahaka amin’ny famokarana hira tsotra izy ireo.

Ny anarana “Isanta” notakarina avy amin’ny teny hoe : “Santa” izay midika ho “Voka(tra) tsara” toy ny hoe : “Santa-bokatra”. Nasiana “I” eo anoloan’ny “Santa” noho izy milaza anarana, hoy I James.

Mirona kokoa ho amin’ny fivoizana ny gadona mihetsika ny Groupe Isanta ary omeny laka amin’izany ny bankira avy atsy Afrika Atsimo. Mahafehy ny fiangaliana ny bankira milamina ihany koa anefa ry “Isanta” ho fanomezana fahafaham-po ireo mpankafy. Ny mozika rehetra ety ambany masoandro, araka izany, no hatosaky ny tarika ho an’ireo mpiondana ny kanto an-kira ravahana dihy.

Mirakitra hafatra miendrika anatra ary fampaherezena sahaza ny isam-baravarana izay notakarina avy amin’ireo trangam-piaraha-monina nisy tetsy sy teroa hatrany ny tononkiran’ity tarika ity. Nomarihan’I James izay mpamoron-kira sy mpandrindra ankapoben’ny Groupe “Isanta” fa tsy hivaona mandrakariva amin’ny fampitana fanabeazana ary fanolorana fahafinaretana ho an’ireo mpankafy azy ny tarika. Ampahany amin’ireo sanganasa efa voajarin’ny tarika fony tany ampahariana amin’ny endrika rindran-tsary ny “Aingam-panahy”, “Batoto” ary ny “Contrat”.

Ny taona 2021 dila teo iny no namoaka ny vokatra vaovao “Mipitsika” ny Groupe “Isanta”. Vazo izay azo ambara fa nahababo ny fon’ireo mpankafy maro be tsy eto an-tanindrazana ihany fa hatrany Dilambato mihitsy. Tanjon’Isanta ny hametraka amin’ny toerana mendrika azy ny mozika malagasy sy ny hanapariaka ireo taokantony izay azo ambara fa azo hatsakana ny mahasoa sy ny mahafinaritra ary sahaza ny Malagasy tsy vaky volo hatramin’ireo hafa firenena. Misokatra amin’ny fiaraha-miasa malalaka amin’ireo tsara sitra-po ny Groupe “Isanta” ho fanabeazam-boho ny kanto an-kira sy dihy ary mozika eto an-tanàna.

Vous aimerez aussi