Telo mianadahy iray tampo, ahitana an’i Yannick Jenna, Yannick Jenny ary i Gael Yannick. Izay samy mbola ao anatin’ny taom-pisandratany avokoa no mandrafitra ny tarika. Ny « Y » maneho ny litera voalohany amin’ny anaran’izy telo mianadahy ary mampiseho fa iray ny fototra nipoiran’ireo rantsana eny ambony.
Catégorie : Samihafa
BESARETY ANTSAHAKELY : Trano roa may kila
Tsy mety intsony ny trano hazo eny ambany tanana fa tena loza rehefa tonga ny tsy mety. Trano roa eny Besarety Antsahakely no may kilan’ny afo tamin’ny atoandro teo ary potika daholo ny entana. Soa fa tsy nisy aina nafoy.
HETSIKA 13 MEY 72 : Fampisehoana raki-tsary ao amin’ny CUA
Araky ny fandaharam-potoana voafaritra dia nisokatra tamin’ny alatsinainy teo ny seho an-tsary nokarakarain’ny Fikambanana « Hetsika 13 Mey 72 ». Nahaliana ny mpijery tokoa nijery an’ireo tranga tamin’izany fotoana izany.
TARIKA « AKON’I MANIA » : Mivoy « Mozika misy fototra »
« Akon’i Mania », anarana tsy hay kosehana anatin’ny Diarin’ny mozika sy ny kolontsaina malagasy. Tarika miezaka mizara konseritra mampiseho ireo karazan-kira sy dihy mirakitra kolom-piainana marolafy (Concert culturel).
Hetsika Mey 1972
Hetsibahoaka ny tamin’ny 13 Mai 1972. Hetahetam-bahoaka sy tombotsoam-bahoaka no nitolomana. Manerana an’i Madagasikara ny hetsika. Nanomboka tamin’ny mpianatra dia nihitatra taminy sehatra rehetra.
PRINTSY ANDRY RODRIGUE : « Avadiho ho lalàna ireo Soatoavina mba… »
Ny tsy fisian’ny fomba iraisan’ny rehetra entin’ny Malagasy hankatoavana ny soa anatin’ny « Soatoavina » navelan’ireo Razambe no antony lehibe tsy mahatanteraka ilay hoe : « Soatoavina fanoitra ho amin’ny fampandrosoana », hoy ny Printsy Andry Rodrigue.
TARIKA « ZOVY » : Mivoy ny mozika rock
Ny taona 2020 no najoron’i Nanou, izay lehiben’ny tarika, mpihira ary mpomorona ireo sanganasa sy i Eric mpitendry ny gitara maranim-peo sady mpandrindra ireo vazo ny tarika « Zovy ».
MPAMONJY VOINA : Nanatanteraka varavarana misokatra
Nankalazaina ny alarobia 4 May lasa teo, tao amin’ny tobin’ny vondrona Mpamonjy Voina Tsaralalana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Mpamonjy Voina. Nanatanteraka varavarana misokatra izy ireo omaly mba ahafahan’ny rehetra mitsidika sy mijery ny toby sy ireo fitaovana fampiasa amin’ny asa famonjena voina.
HALATRA TAOLAM-PATY TAO ANKAZOBE : Pasitera 3 lahy avy amin’ny fiangonana zandriny sy namany 6 saron’ny zandary
Mpamaky fasana 9 lahy no saron’ny zandarimaria avy ao amin’ny “poste avancé” ny zandary Antolojanahary, ny 1 May lasa teo. Tao amin’ny kaomina Mahavelona, distrikan’Ankazobe, faritra Analamanga, no nahatratrana ireto tambanjotrana mpamaky fasana ireto.
ANTSIRABE : Sambany no hahazo sehatra sy fotodrafitrasa ho azy ny mpanakanto
Hafaliana tsy omby tratra ho an’ny mpanakanto ao amin’ny faritra Vakinankaratra ny nahavitana ilay tranoben’ny kolontsaina vaovao ao amin’ny piste ao Antsirabe, izay ny filohampirenena mihitsy no tonga nitokana izany , hoy ny fanambaran’i Didy Alfa, filohan’ny fivondronan’ny mpanakanto ao Vakinankaratra, na ny FAV.
