ANTSIRABE : Sambany no hahazo sehatra sy fotodrafitrasa ho azy ny mpanakanto

Hafaliana tsy omby tratra ho an’ny mpanakanto ao amin’ny faritra Vakinankaratra ny nahavitana ilay tranoben’ny kolontsaina vaovao ao amin’ny piste ao Antsirabe, izay ny filohampirenena mihitsy no tonga nitokana izany , hoy ny fanambaran’i Didy Alfa, filohan’ny fivondronan’ny mpanakanto ao Vakinankaratra, na ny FAV. Efa ela ihany tokoa no nisedra olana ireo mpanakanto ireo, amin’ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa ho azy ireo; na dia eo ihany aza ny tranom-pokonolona ao Antsirabe, izay somary manano sarotra ny fampiasana azy. Raitra tanteraka ity fotodrafitrasa ity, satria ampy ireo efitra rehetra ilaina ho an’ny fikarakarana fampisehoana iray, ary efa manana ny fanamafisam-peony manokana ho azy ihany koa izany foibe vaovao izany. Taorian’ny fitokanana ity fotodrafitrasa ity moa, dia tsy miandry ela, fa hanomboka amin’ny herinandro miditra io sahady, ilay hetsika goavana izay karakarain’ny FAV; amin’ny fitikiana ilay antsoiny hoe talenta vao, izay natao hitiliana izay mpanakanto mendrika ao Vakinankaratra, ka ny fikambanan’izy ireo no hisahana manontolo ny hampahafantarana izay mpanakanto mendrika izay. Efa nahazo teny tamin’ny ministra mpiahy, Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo rahateo ny FAv, fa afaka mampiasa maimaimpoana io toerana io izy ireo, sady ity ministra ity rahateo no reny mpiahy izay fifaninanana izay. “Hifanentana sy hinabe izahay mpanakanto rehetra eto Vakinaknaratra, mba ho mendrika sy hanaja izao fotodrafitrasa goavana izao, satria olana ho anay hatramin’izay ny tsy fananana azao. Avokavoky ny kanto mantsy izany Antsirabe izany satria saika avy ao Antsirabe ny mpanakanto sy mpitendry maro, fa olana hatrizay dia ny masomboly miala ao fa tsy mba misy mpanakanto vokatra miverina ao, ary antony goavana io tsy fisian’ny fotodrafitrasa io”, hoy hatrany i Didy Alfa. Irarian’izy ireo anefa ny hitazonana izay fahafahana mampiasa ankalalahana ny fotodrafitrasa izay, mba tsy hisy volo manoa randrana indray aoriana kely, fa ho azy ireo dia tokony ho zakan’ny mpankafy sy mpitia kanto rehetra ny fampiasana sy fidirana amin’ny fiotodrafitrasa tahaka izao.

Vous aimerez aussi