MPAMONJY VOINA : Nanatanteraka varavarana misokatra

Nankalazaina ny alarobia 4 May lasa teo, tao amin’ny tobin’ny vondrona Mpamonjy Voina Tsaralalana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Mpamonjy Voina. Nanatanteraka varavarana misokatra izy ireo omaly mba ahafahan’ny rehetra mitsidika sy mijery ny toby sy ireo fitaovana fampiasa amin’ny asa famonjena voina. Ankoatra izany dia nisy ny fampisehoana ireo fahaiza-manaon’ireo mpamonjy voina sy fampisehoana horonan-tsarin’ny mpamonjy voina ary ny fivoarany nanomboka tamin’ny niforonany ka hatramin’izao. Raha araka ny nambaran’ny lehiben’ny vondron’ny sampana mpamonjy voina, ny kolonely Razafimanahaka Tiana, dia natao izao varavarana misokatra izao mba hisian’ny tsipi-panohizana eo amin’izy ireo sy ny mpiara-miombon’antoka ary ny mponin’Antananarivo. Ny laharana ahazoana ny mpamonjy voina dia ny 118, misokatra 24 ora amin’ny 24 ora mandritra ny taona. Vonona ny mpamonjy voina hikaroka ny tsaratsara kokoa hatrany, hanao izay mety, indrindra fa avy amin’ireo hiara-hiasa sy hiara-hisalahy amin’ny mponin’Antananarivo mba ho tanàna hieren-doza, ho tanàna mahasehaka ny tampoka, ho vonona ary voahomana mba tsy ho lavon’ny loza.

Vous aimerez aussi