Mpamaky fasana 9 lahy no saron’ny zandarimaria avy ao amin’ny “poste avancé” ny zandary Antolojanahary, ny 1 May lasa teo. Tao amin’ny kaomina Mahavelona, distrikan’Ankazobe, faritra Analamanga, no nahatratrana ireto tambanjotrana mpamaky fasana ireto. Araka ny vaovao voaray avy amin’ny zandarimaria, dia ny 3 lahy tamin’izy ireo avy ao Mahavelona, fa ny 3 hafa kosa avy any amin’ny fokontany Ambohimarina Ankazobe. Ny 3 lahy farany, dia avy ao an-tanàna tsy lavitra teo, saingy, samy mpitondra fivavahana amin’ny fiangonana zandriny avokoa izy ireo. Araka ny vaovao azo hatrany, dia Pasiteran’ny fiangonana zandriny avokoa ny roalahy ary Misionera ny fahatelo. Voalaza fa olona akaiky an’ireto voasambotra ireto ihany no nanome ny vaovao ny zandarimaria ary mora tamin’ireto farany ny nanao ny fikarohana sy fisamborana. Nahazo vahana ary tena nanjaka tao amin’ny distrikan’Ankazobe ny halatra taolam-paty. Nikolay tamin’izany ny fianakaviana iray raha tonga handevina izy ireo, saingy, fasana efa nisokatra no hitan’izy ireo tamin’izany. Tsy hita ireo mpangalatra taolam-paty, rehefa natao ny fikarohana. Nohon’ny fiaraha-miasa teo amin’ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana no nahazoana izao tambanjotrana mpamaky fasana sy mpangalatra taolam-paty izao. Natolotra ny fitsarana tao Ankazobe ny talata lasa teo izy 9 mirahalahy ireto ary voatazona vonjy maika any amin’ny fonjan’Ankazobe. Nisaotra manokana ny olona izay tsara sitrapo nanome ny loharanom baovao ny zandarimaria.


