TARIKA « AKON’I MANIA » : Mivoy « Mozika misy fototra »

« Akon’i Mania », anarana tsy hay kosehana anatin’ny Diarin’ny mozika sy ny kolontsaina malagasy. Tarika miezaka mizara konseritra mampiseho ireo karazan-kira sy dihy mirakitra kolom-piainana marolafy (Concert culturel). Anisan’ny mampiavaka ny tarika ny fampiasana ireo zavamaneno malagasy toy ny valiha, jejy voatavo, sodina gasy nohajariana avy amin’ireo zavamaniry eto Madagasikara ampiarahana amin’ireo manenom-bazaha tahaka ny angorodao « taralila » sy ny gitara ary ny trompetra.

Misy fototra ijoroany

« Ankoatry ny fanehoana ireo kanto an-kira sy dihy mampiavaka an’i Amoron’i Mania, miara-dalana amin’izany ihany koa ny fanasongadinana ireo Soatoavina (Fomba amam-panao) raiketin’izy ireny koa ny « konseritra mirakitra kolontsaina » ataonay », hoy i José, iray amin’ireo mpikambana mandrafitra ny tarika « Amoron’i Mania ».

Ampahany amin’ireo mozika nentim-paharazana mampiavaka ny faritra Amoron’i Mania sy ny distrikan’ny Fandriana, Ambositra, voizin’ny tarika Akon’i Mania mirakitra fomba amam-panao ny « Marakely », « Horija », « Zafindraony »,… Hafatra heno anatin’ny tononkiran’ny tarika izay hanamarika ny 20 taona nijoroany ity ny tokony hampanjakana ny fihavanana, firaisankiana ary ny fiarovana ny tontolo iainana. Raha fintinina, notsoahana sy notakarina avy amin’ireo fomba amam-panao mirakitra Soatoavina malagasy avokoa ireo sanganasan’ny tarika « Akon’i Mania » mba ho tanteraka ara-bakiteny tokoa ilay hoe : « Fitaovana mahomby ahafahana mamolavola Olom-banona ny Kolontsaina ». « Mozika misy fototra », araka izany, no voizin’ny tarika izay manamarika ny 20 taona nijoroany ankehitriny. Sarotra ny lalan-kombana saingy mbola vonona hamakivaky ny 20 taona hoavy ny tarika.

Vous aimerez aussi