TARIKA « ZOVY » : Mivoy ny mozika rock

Nanou, anisan’ireo nanangana ny « Zovy ».

Ny taona 2020 no najoron’i Nanou, izay lehiben’ny tarika, mpihira ary mpomorona ireo sanganasa sy i Eric mpitendry ny gitara maranim-peo sady mpandrindra ireo vazo ny tarika « Zovy ».

« Zovy » mihitsy no natao anaran’ny tarika, hoy i Nanou noho ny tsy fahitana anarana nasalotra ny tarika hatramin’izao. Nitoetra mandraka androany ho fanontaniana tsy nahitam-baliny, araka izany, ny anarana nampitondraina ny tarika. Ny fikirakirana ny mozika Rock sy ireo endrika gadona maroloko mandrafitra ity mozoka mavesatra fanta-daza sy be mpankafy manerana izao tontolo izao ity no ifaharan’ny trandran-kanton’ny « Zovy ». Ampahany amin’ireny ny fiangaliana ny « power », « heavy », sns.

Mampiavaka ny tarika « Zovy » ilay feo mifameno eo amin’ireo mpitantsoroka izany sy ny rindran-java-maneno tsy misy tomika rehefa mandrafitra vazo izy ireo. Mampita hafatra mafonja sy sahaza ny isan-tokonana ihany koa ireo vazonay, hoy hatrany i Nanou. Fady ho an’ny « Zovy », araka izany, ny hanolotra tononkira tsy misy vontoatiny ho an’ireo mpankafy. Ny « Mahasoa » sy ny « Mahafinaritra ». Ireo hatrany, araka izany, no ezahan’ny « Zovy » hampiraisin-dalana. Tsy miainga amin’ny nofinofy rahateo ireo dingana sy ny fomba entin’ny « Zovy » manajary ireo vazony fa mifaka tanteraka amin’ny endrim-piaraha-monina nisy tetsy sy teroa. Vokany, mora ho an’ireo mpankafy ny mandray sy mitelina ireo hafatra raiketiny anatin’ny hafinaretana tsy hay ambara.

Ampahany amin’ireo sanganasan’ny tarika voajary tao anatin’ny roa taona nitsanganany ny «Tena tia », « Ny hafatro » ary ny vaovao be efa maro mpankafy sahady ankehitriny ny « Sipa be vinany ». Vinanasa ny hiketrehana rakikira voalohany amin’ity 2022 ity ho an’ny « Zovy ».

Nomarihan’i Nanou fa tsy hijanona eto an-tanindrazana ihany ny fampahalalana ny kanton’ny tarika « Zovy » fa ezahana ny hivimbina sy hizara izany hatrany Dilambato mba ho haja sy voninahitry ny mozika malagasy.

Vous aimerez aussi