PRINTSY ANDRY RODRIGUE : « Avadiho ho lalàna ireo Soatoavina mba… »

Ny tsy fisian’ny fomba iraisan’ny rehetra entin’ny Malagasy hankatoavana ny soa anatin’ny « Soatoavina » navelan’ireo Razambe no antony lehibe tsy mahatanteraka ilay hoe : « Soatoavina fanoitra ho amin’ny fampandrosoana », hoy ny Printsy Andry Rodrigue.

Ny famolavolana lalàna mandidy ny tokony hankatoavana marindrano ireo Soatoavina, araka izany, no vahaolana natolotry ny Printsy Andry Rodrigue mba ho tanteraka tokoa ilay hoe : « Soatoavina fanoitra ho amin’ny fampandrosoana ». Sanatria toy ny valalan’Amboa tokoa mantsy ankehitriny ireo « Soatoavina » navelan’ireo Razambe. Singanina amin’ireny ny fahaverezan’ny hasin’ny fihavanana, firaisankina, ny fomba amam-panao (Famadihana) eny anivom-piaraha-monina izay manamafy orina ny soatoavina sy mampitombo hasina. Tsy iadian-kevitra anefa fa ny fitanana sy fanomezan-kasina ary ny fampiharana ny « Soatoavina » no anisany antoka iray hisian’ny fampandrosoana anatin’ny fiarahamonina mirindra ka hampiadana ny Ambanilanitra anatin’ny firenena iray. Tsy laharam-pahamehana ho an’ity fanjakana mijoro ankehitriny ity tokoa angamba ny famolavolana ho « Olom-banona » (Saina, vatana, fanahy) fa ny fananganana foto-drafitrasa entina hanatsarana endrika hatrany azy ireo mialoha ny fifidianana no maha maika azy ireo mandrakariva. Aza hitako hono !!! Misosa mankaiza marina isika Ramalagasy ? Saino sy diniho ihany fa miha mahazo faka lalina ny fahalovana amin’ny lafiny rehetra (Saina, vatana, fanahy) raha tarafina amin’ireo zava-mitranga ankehitriny eto amin’ny firenena. Tsy mahagaga ahy raha miaina anaty fahantrana lalina isika Malagasy noho ny fanimbazimbana ny Soatoavina saika isanandro vaky lava izao.

Vous aimerez aussi