Mr Sayd, Mad max, Nael, Lyon Hill, Shyn, Ceasar, Wada & Yoongs. Mpanakanto samy manana ny lazany amin’ny sehatry ny fivoizana ny « Mozikan’ny tanan-dehibe » no hiray sehatra anatin’ny seho « Urban vibes », hotanterahana, ny tolakandron’ny 24 jolay ho avy izao, etsy Antsahamanitra.
Catégorie : Samihafa
MPANAKANTO « RAJAH CENT » : Mivoy mozika tropikaly
Mitombo an-dalana toy ny dian’Andriana ny isan’ireo mpanakanto miangaly ny mozika mafana (Mihetsika) eto amin’ny Tanàna. Anisan’ireo nanatevin-daharana izany ankehitriny i Rakotondrahaingo Haja Alcide. Mitondra ny solonarana hoe : « Rajah cent », eo amin’ny tontolon’ny hira sy mozika ary Zanaky Menabe ny tovolahy.
TARIKA BAOBAB : Manandratra ny mozika malagasy
Tarika Baobab, hivondronan’ireo valo mianadahy resy lahatra tanteraka fa mbola mitoetra ary tsy hay kosehina anatin’ny Malagasy sy ireo Vahiny ny fankafizana tsy misy fepetra ireo vazon’ny taona 60 – 70.
Antso nataon’ny filoha Hery Rajaonarimampianina nohon’ny 26 jona 2022 tany Paris
Lahatenin’ny Filoha teo aloha Hery RAJAONARIMAMPIANINA nandritry ny fankalazana ny faha-62 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara.
PARIS : Nankalaza ny faha-62 taona niverenan'ny Fahaleovantenan'i Madagasikara ny RMDM Diaspora
Ny RMDM Diaspora izay ivondronan’ireo antoko sy fikambanana mpanohitra (HVM France, TIM France, ADM, mahaleotena…) no mpikarakara ary nanasa manokana ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina hanotrona ny lanonana.
MPANAKANTO « MAMA RED » : Miangaly mozika maroloko
« Mama red », anarana nofinidin’i Soavelo Zoariline isalorana amin’ny maha mpanakanto azy. Ny loko mena no tena ankafiziko, hoy izy noho izy manambara fitiavana miredareda sy maneho tanjaka ary hafanana mivaivay koa tsy nisalasala aho nametraka izany ho fanampin’ny solonarana entiko eo amin’ny tontolon’ny hira sy ny mozika.
« 25 LIGHT LIVE PARKING » : Ho fararanon-danonana
Azo ambara ho lanonana marolafy hanana endrika feno no hiaraha-migoka sy manjifa manomboka, ny misandratr’andron’ny (10 ora maraina) 25 jona, etsy amin’ny CCI Ivato. Ao anatin’ny hetsika goavana « 25 Light live parking ».
COACH FABIEN : « Trandraho ny talenta, ialao ny resy tsy miady dia… »
Ny fahaizana mitrandraka sy mampivelatra miandalana ny talenta voajanahary avy amin’Andriamanitra laroina fahavononana sy finoana lalimpaka ho amin’ny fandresena ireo endrika adim-piainana ary ny fahaizana mandalina sy manadihady ireo tranga rehetra miseho eto ambonin’ny tany.
GROUPE « …NY TOA AZY… » : Ankohonana mitory an-kira
« …Ny toa azy… », andalan-tenin’ny soratra masina notsoahana avy ao amin’ny baiboly : « Avelao ny zaza hanatona ahy fa aza sakanana fa an’ny toa azy ny fanjakan’ny lanitra ». Io no nisintonana ny anaran’ny Groupe « …Ny toa azy… », hoy i Sitraka, Raim-pianakaviana ary azo ambara ho vovonana iadian’ny lohan’ny Groupe « …Ny toa azy… ». Ity farany izay nitsangana ny faran’ny taona 2021.
ALATSINAIN’NY PENTEKOTY : Hiavaka ny « Mandona be »
Mpanakanto samy efa manana ny lazany miisa dimy ahitana an’i Tence Mena, Malm, Ceasar, Wada & Yoongs ary i Ayo Naej. Ireo no hifandrimbona hanafana ny rindran-kira « Mandona be » hotanterahana, ny Alatsinain’ny Pentekoty ho avy izao, etsy amin’ny Stade Complexe Ampefiloha.
