Ny RMDM Diaspora izay ivondronan’ireo antoko sy fikambanana mpanohitra (HVM France, TIM France, ADM, mahaleotena…) no mpikarakara ary nanasa manokana ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina hanotrona ny lanonana.
Nisy nandritra izany ny fananganan-tsaina ary nisy koa ny fangalam-pitenenana izay nifandimbiasan’ny solontenan’ireo mpikarakara sy ireo antoko mpikambana.
« Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika »
Niray hiana, niara-nankalaza ary nanome voninahitra ny Firenena ny mpanohitra na nisy aza ny tsy fitovian-kevitra sy ny tsy fifankahazoana tany aloha satria ny fanavontana ny toe-draharaha no ambony ary laharam-pahamehana. Fandraisan’andraikitra sy fandraisan’anjara amain’ny maha raiamandreny, amin’ny maha mpanao politika, fa voalohany indrindra amin’ny maha olom-pirenena.
Talohan’izay, ny Asabotsy 25 Jiona tolakandro, dia niara-nanatrika ny fanompoam-pivavahana nokarakarain’ny FJKM Montrouge Vaovao ny Filoha Hery Rajaonarimampianina mivady sy ireo mpiara-dia aminy, ary ny masoihivoho malagasy any Frantsa, Atoa Andriamatoa Rija Rajohnson mivady.
[robo-gallery id=”29525″]
Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

