Ireo mpisitraka tombontsoa manokana sy mihoam-pampana avy amin’ireo mpitondra ankehitriny sisa no tsy miaiky sy tsy mahita ary tsy mandre fa latsaka anaty fahantrana lalina ny fianan-dRamalagasy, nanomboka, ny taona 2009 ; nisian’ny « fanonganam-panjakana manara-penitra » notarihan’ireo « Ory hava-manana » sy mamban-tseza tafahoatra mandraka ankehitriny.
Catégorie : Samihafa
AMBOHIMANGAKELY : Rakotra mpivarotra ny moron’arabe
Rakotra mpivarotra ny andaniny roa amin’ny Lalam-pirenena faharoa, mamakivaky ny tananan’Ambohimangakely, efa am-bolana maro izao. Vokany, sahirana ary tataovan’ny lozam-pîfamoivoizana isan’andro vaky izao ireo sokajin’olona mpampiasa iny lalana iny, toa ireo mpiasa sy mpianatra ary ireo mpandalo eny an-toerana.
HIRA EVANJELIKA : Manao lanja miakatra hatrany ny « GRT »
Ny taona 2019 no nahita masoandro ny Groupe Rahalahy Tahiana. I Tahiana sy ny vadiny Larissa no angady nananana sy vy nahitana ity tarika mampiasa ny gadona mafana (Mihetsika) ho enti-midera ny Ray sy mitory ny filazantsara ity.
MAMIE GAGAH : Milalao gadona maroloko
Randrianambinintsoa Mamie Franck, no tena anaran’ny tovolahy, zanaky Toamasina, ary mitondra ny solonarana hoe : Mamie Gagah eo amin’ny sehatry ny filalaovana ny mozika. Teo amin’ny faha-12 taonany i Mamie Gagah no efa hitan’ny maro taratra fa mankafy ary manam-pitiavana manokana ny mozika.
OLANA MISY ETO AMIN’NY FIRENENA : Miantso fifanantonan’ny mpitondra fanjakana sy ireo hery velona rehetra ny FFKM
Manamafy ny antso efa nataony ny alahady 17 Jolay ny FFKM ny amin’ny tokony hifanantonan’ny mpitondra fanjakana sy ireo hery velona rehetra hifampidinika hijerena ifotony ny olana misy eto amin’ny firenena, ary miantso azy ireo hiara-hientana hitady vahaolana maharitra…
JACK THIERRY : Olon’ny Mozika, tia manao fanamby goavana
Hajambololontiana Jack Thierry, no tena anarany. Endrika sy anarana tsy atoro fa hita eo amin’ny habaky ny mozika sy ny fikarakarana seho ara-java-kanto i Jack Thierry. Tany amin’ny taona 1991 izy no nanomboka nisehatra tamin’ny lafiny fitendrena zavamaneno (Gitara beso) tany anatin’ireo fanafanana lanonana marolafy tahaka ny Alim-pandihizana.
MPANAKANTO « TIGAH » : Manabe voho ny mozika hatrany
Ny mozika rap sy ny mozikan’ny Tanàn-dehibe « Musique urbaine ». Ireo no toy ny anjomara mafy nanaitra ny fitiavan’i Tigah ny mozika, tany amin’ny taona 2005 koa nahatonga azy niditra lalina tamin’ny fikirakirana niampy fandalinana hatrany ny manodidina ny habaky ny zavakanto an-kira sy mozika.
« GROUPE RAHALAHY TAHIANA » : Mitory amin-gadona mivelatra
Ny taona 2019 no najoron’i Tahiana sy Larissa vadiny ny Groupe Rahalahy Tahiana « GRT ». 12 mianadahy no mandrafitra ny tarika. Ny hitory ny filazantsara ary ny hitarika ny Olombelona tsy an-kanavaka hibebaka sy hametraka mandrakariva ny fiainana amin’ilay Ray tsitoha, no antom-pisiany.
BETÔFY : Manandratra ny « Kilalaky oplala »
Betôfy, io no solonanarana entin’i Christophe, mpanakanto tanora zanak’i Menabe eo anivon’ny fikirakirana ny mozika sy ny hira. Mirona tanteraka ho amin’ny fametrahana amin’ny toerana mendrika sy sahaza azy ny « Kilalaky » izay mozika sy gadona ary soradihy nentim-paharazana mampiavaka ny Menabe ity mpanakanto ity.
FIMPIFIMA : Hanatanteraka « Croisade » lehibe
Ny 12 hatramin’ny 14 aogositra ho avy izao, etsy amin’ny kianjan’ny Betongolo, no hanatanterahana ilay « Croisade » lehibe, karakarain’ny « FIombonan’ny MPItory FIlazantsara eto MAdagasikara ».
