Bolongam-bola manodidina ny 200 tapitrisa Ar izay an’ny kaominina Talatamaty madiodio. Io no natokan’ity kaominina manana mponina manodidina ny 70 000 izay saika mifototra amin’ny asa fambolena sy fiompiana ity ho enti-manatanteraka ny asa fanamboaran-dalana eny an-toerana.
Catégorie : Samihafa
CHEF TOKY RAMA : 28 Taona nikirakirana ny « Haify »
Chef Toky Ramà, anarana tsy zoviana ao anatin’ny habaky ny Haify. Vao teo amin’ny faha-13 taonany izy dia efa nikirakira ny fandrahoana sakafo. Niompana betsaka tamin’ny sehatry ny fanaovana mofomamy sy ny tontolon’ny fahandroan-tsakafo ary ny fampianarana ny asa fikarohana sy fandalinana ataony mandraka ankehitriny.
FAMPIANARANA « HAIFY » : Mitondra ny anjara birikiny ny « Havila school »
Ny taona 2009 nanorenan’I Chef Toky Ramà sy ireo mpiara miasa akaiky aminy ny ivon-toerana ambony fandalinana ny tontolon’ny « Haify », izay nampisaloran’izy ireo ny anarana hoe : « Havila school ».
MARCELIO : Midera amin’ny bagasy sy ny rap
Rajaozandry Nilana Marcelio no anaran’ity tovolahy ity izay resy lahatra rehefa nandre ny bitsiky ny fanahy masina tao anatiny ny amin’ny ampiasana ny talenta ananany ho amin’ny asa fitoriana ny filazantsara.
FILOHA TEO ALOHA HERY RAJAONARIMAMPIANINA : Nihaona tamin’ireo malagasy tany Parisy
Nihoana sy nitafa tamin’ireo malagasy any an-dafin’ny riaka ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina niaraka tamin’ny Mpandrindra Nasionalin’ny antoko HVM Rivo Rakotovao. Nandritry ny lanonana izay naharitra adiny telo latsaka kely dia nifandimby naneho ny heviny momba ny lasa, ny ankehitriny sy ny laharam-pahamehana ho an’ny ho avin’ny firenena izy ireo.
MOZIKA TROPIKALY : Miala any i Lica
Tapa-kevitra ary mirona tanteraka amin’ny filalaovana ny gadon-kira mihetsika « Mozika tropikaly » tahaka ny afro beat, tsapiky, sud af, sns i Randrianiriana Olice, mpanakanto, Zanaky Manakara ary misalotra ny solon’anarana hoe : « Lica » eo amin’ny sehatry ny mozika.
FAMORONANA HIRA : Mizara ny talentany I Zoky Faliana
Ranaivozandry Faliana Jarich, no tena anaran’ny tovolahy. Ankoatry ny talenta voajanahary ananan’I Zoky Faliana izay nampiany fianarana ny solfa sy ny solfezy eo amin’ny lafiny famoronana hira evenjelika mifaka amin’ny foto-pinoana dia nandalina ny sehatry ny fitendrena zava-maneno tahaka ny saxophone, vatamaroafitsoka, sns ihany koa I Zoky Faliana.
MPANAKANTO NAW-LIE : Mivoy mozika mihetsika
Mirona amin’ny fivoizana ny gadon-kira mihetsika nentim-paharazana Malagasy toy ny salegy, malesa novesarana zavamaneno mavesatra mba hanaraka vanimpotoana I Naw-lie. Milalao sy miangaly ny hira mihetsika avy any ivelany toy ny “afro beat” ihany koa izy.
RAHARAHAM-PIRENENA : Mikiaka ny KMF-CNOE
Milaza ny tsy fahombiazana eto amin’ny firenena ny KMF-CNOE. Voatondro amin’izany ny Fitondrana ankehitriny izay hikasa hanantanteraka ny fifidianana. Niniana havoaka ho hain’ny vahoaka ny olana mitranga eto amin’ny Firenena mba ahazoany tsara mandanjalanja ny toe-draharaha.
Lahateny fanokafana ny varavarana misokatry ny antoko HVM nataon’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina
Lahateny fanokafana ny varavarana misokatry ny antoko HVM nataon’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina.
