FIAHIANA IREO ZOKIOLONA : Amperinasa ny « Centre La Bonté Madagascar »

Tsy dia tsaroana loatra na odian-tsy hita eto amintsika izany hoe : manana ny zony feno ireo zokiolona. Maro, araka izany, ireo zokiolona iharan’ny herisetra ary mizaka ny tsy eran’ny ainy. Ny fahatsapana ireo loza mitatao amin’ny zokiolona sy ho fanampiana azy ireo no nanosika an’I Dokotera Ramanandrafaliarisoa Florienne sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy, hanangana ny Ivon-toerana « La Bonté Madagascar », ny volana aogositra 2021.