Maro be ireo akony tsara eo amin’ny toe-karen’ny Gasikara raha toa ka mahazo faka ao amintsika rehetra ilay toe-tsaina “Gasitsara”, hoy ny Dr. Randriamahenina Fabrice, mpandala ny maha malagasy.
Catégorie : Samihafa
KAOMININA ARIVONIMAMO : Marolafy ireo asa fampandrosoana vita
“Ny fahavononako handray andraikitra sy ny fitiavako ny Tanindrazako no nanosika ahy hilatsaka ho Ben’ny Tanànan’ny Kaominina ambonivohitra Arivonimamo”, hoy RANDRIANARISOA Manoa Vincent de Paul no naharesy lahatra ny maro anisa nametraka ny fitokisany tamiko hitantana ny Tanàna. Io no andalam-pehezan-teny nentin’ny Ben’ny Tanànan’Arivonimamo, nanokatra ny tafa nifanaovana taminy.
DR. R. FABRICE : « Tsy mampandroso ny « Malgache », mila ovaina »
Nahitsy ny fanehoan-kevitra nentin’ny Dr. Randriamahenina Fabrice, mpandinika fiarahamonina, mpitsabo manoloana ny fahantrana lalina iainan’ny firenena ankehitriny. Miainga amin’ny kolontsaina ny vahaolana natolony ho fialana malaky amin-dRafahantrana.
AMBOSITRA – AMORON’I MANIA : Maro ireo fotodrafitr’asa simba sy fiangonana ary trano rava
Anisan’ny namela takaitra tao amin’ny Distrikan’Ambositra, faritra Amoron’i Mania, ilay rivodoza mahery vaika Freddy, izay nandalo tao amin’ny faritra ny talata alina lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora tany ho any.
MPANAKANTO « SENDIE » : Miroso ho amin’ny sehatra maha matihanina
« Efa toy ny ra mikoriana ato anatiko ny mozika », hoy i Hanitra Sendia Marie, mitondra ny solon’anarana hoe : « Sendie » ao an-kianjaben’ny hira sy ny mozika. Mpanakanto miezaka hatrany ny hiditra miandalana anatin’ny sehatra maha matihanina. Azo ambara ho tsy atoro voanjo hadiana intsony amin’ny fikirakirana ny mozika i « Sendie ».
MOZIKA MALAGASY : Miala any i Lar’son
Laroson Miarantsoa Jean Christian, mpanakanto vao erotrerony, zanak’Antalaha. Nofinidiny ny nisalotra ny solon’anarana hoe : « Lar’son », ao anatin’ny habaky ny kanto an-kira malagasy. Azo ambara ho taranaka mpanakanto ny tovolahy noho ny Rainy izay anisan’ireo niangaly sy nisehatra ny vakodrazana.
RA-HAVANA : Manandratra ny Soatoavina Betsileo
Rasolohavanimanana Elody Jean Neré. Io no anarana fenon’ilay mpanakanto « Ra-havana », fantatra tamin’ilay vazo « Ao an-dakozia ». Ny taona 2006 Ra-havana no efa nilona tao anatin’ny hira sy ny mozika. Ny fitendrena ny aponga maroanaka no nampisongadina azy tao anatin’ny tarika « Majeur 7 ».
MPANAKANTO « TSILAVINA DU SUD » : Milalao gadona maroloko
Luciano Frederic no tena anarany fa mitondra ny solon’anarana hoe ; “Tsilavina du sud” nyu tovolahy eo amin’ny fiangaliana ny hira sy ny mozika. Ny taona 2010 no niorina ny tarika. Mampiavaka azy ireo ny talenta nampiana fandalinana eo amin’ny lafiny fifehezana ireo gadon-kira misy eto ambany masoandro.
TARIKA « DIARY » : Sompitry ny hira nentin-drazana Malagasy
Raha toa ka manao tsy homby aloha amin’ny fivoizana ireo gadon-kira Vahiny sy ny fakana tahaka be fahatany izany ny ankamaroan’ireo mpisehatra amin’ny hira sy ny mozika malagasy ankehitriny. Ny miezaka mamelo-maso, mitahiry ary mampahafantatra ireo haren’ny mozika nentim-paharazana misy manerana ny Nosy amin’ireo taranaka no antom-pisian’ny tarika Diary. Ity farany izay niorina ny taona 2020.
MPANAKANTO « MAGIC JAH » : Hiverina an-tsehatra
Magic Jah, mpanakanto fantatra efa tany amin’ny taona 2006 amin’ny fiangaliana ny gadona mihetsika mampiavaka an’ny Afrika tahaka ny “Mapôka”, “Soukouss” ary ny famolahana ireo vakodrazana malagasy hanjary taokanto mahatety vanimpotoana sy mitoetra.
