Ny taona 2006 no niorina ny CEG Soamanandrariny. Ankehitriny, mananika ny 834 ireo mpianatra manovo fahalalana ombam-pahendrena eny an-toerana. Rakotondratsimba Fenomanana Tsilavina Luc, no Tale mitantana azy ankehitriny. Ity farany izay azo ambara fa tsy atoro voanjo hadiana amin’ny tontolon’ny fampianarana noho ireo traikefa sy haizatra matevina miampy ireo marim-pahaizana ananany eo amin’ny sehatry ny fanabeazana amin’ny ankapobeny.
Catégorie : Samihafa
MPANAKANTO « MOMO MODAKELY » : Mivoy ny « Kilalaky nohavaozina »
Randrianantenaina Modakely, « Mômô Modakely ». Iray amin’ireo mpanakanto tinaizan’i Bivy sy Alain Boutr. Izy mirahalahy ireto izay samy efa lasa nodimandry ary azo ambara fa andrarezina teo amin’ny fikikarakirana ny mozika. Nanovo fahalalana manodidina ny Kilalaky teo ambany saokan’i Tsiliva ihany koa ny tovolahy. Fianakaviana mpanao mozika rahateo no nipoirany.
MOZIKA MALAGASY : Miala any i Rosemonde Diana
Anisan’ny tapa-kevitra ny hanatevin-daharana ny laharan’ ireo Mpanakanto malagasy I Rosemonde Diana ary hikopak’elatra irery amin’izay. Tovovavy anatin’ny taom-pisandratany. Azo ambara fa efa tsy atoro voanjo hadiana anatin’ny fikirakirana ny mozika ity mpanakanto ity…
MPANAKANTO « GUSTE » : « Hanitsiako ny mpiara-belona ny Rap »
Soanandrasana Augustinna no tena anaran’ity tovolahy mpanao Rap gasy efa ho 08 taona izao ity. Guste no anarana nofinidiny isalorany anatin’ny habaky ny mozika Rap. Efa nahavokatra rakikira miisa 02 ahitana ny “Nahoana àry ?” sy ny “Rap Literatiora”.
IBERANANDRASANA JOHNA AUGUSTIN : “Mila Olom-banona sy sahy I Gasikara”
“Mila Olombelona manam-panahy sy nianatra ary sahy ny sehatry ny fanaovana politika ankehitriny eto Madagasikara”, hoy i Iberanandrasana Augustin. Tsapa tokoa mantsy fa mibahana loatra anatin’ny fikirakirana ny politika eto amintsika akehitriny ilay toe-tsaina tia valifaty. Tsy mahay mifamela intsony ny samy “mpanao politika”. Vokany, manjaka ao anatin’ny sehatra politika ny “Kobay an-kelika” sy ny fifampiandrasana kendry tohana.
TOE-TSAINA « GASITSARA » : Mahomby hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana
Iaraha mahalala fa tena efa mamaivay tanteraka ny lafiny tsy fandriam-pahalemana na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra. Mampikaikaika ny maro ny fisian’ny fanafihana etsy, fanendahana eroa, vaky trano etsy, fandrobana eroa.
SEHO EVENJELIKA : Hiaka-tsehatra ny « Ny toa azy »
“Ny toa azy”, tarika hivondronan’ny ankohonana iray, izay resy lahatra amin’ny antson’Andriamanitra ny amin’ny itoriana mandrakariva ny teny soa mahafaly amin’ny malahelo amin’ny alalan’ny fampiasana ny talenta notovanana fianarana sy fandalinana norantovina tamin’ireo mpahay sy mpitendry mozika efa matihanina eto an-tanana. Ny taona 2021 no nijoro ny tarika.
“RHEFI “SABOTSY NAMEHANA” : “Avaradrano ho an’I Jesosy Kristy” no tanjona…
Ny taona 2010 no niorina ny Fiangonana Rhefi Sabotsy Namehana, tarihan’ny Pasitera Rahajarivonona Joel. Ity farany, izay nandalina ny fianarana ny baiboly sy ny fomba fitantanana Fiangonana, nandritra, ny 7 taona. “Ny fahatsapana izay nipololotra mafy tao anatiko ny amin’ny hanafahana ireo olona eo ambany vahohon’ny Satana noho ny fahotana mangeja mafy azy ireo” no nanosika ahy namaly ny antson’ny Tompo hisehatra amin’ny asa fitoriana filazantsara, hoy ny Pasitera Rahajarivonona Joel.
TARIKA « LES ADELINE » : Hiverina an-tsehatra
Vaovao tsara ho an’ireo mpankafy ny vazo evenjelika mikolo fanahy ! Hiverina an-tsehatra amin’izay ny tarika Les Adeline, ahitana an’ireo mpikambana fototra toa an’I Sarobidy, Fifi, Fafah ary I Marius. Raha tsiahivina, tany amin’ny taona 2001 no niorina ny tarika.
FAMPIOFANANA HO MPAMPIANATRA EO ANIVON’NY FJKM : Hankalaza ny faha 25 taonany ny IFRP Ambodinandohalo
Feno 25 taona amin’ity taona 2023 ity ny IFRP (Institut de Formation et de Recherches Pédagogiques) Ambodinandohalo, izay ivon-toeram-pampiofanana ho mpampianatra eo anivon’ny fiangonana FJKM. Nilaza ny tale amperinasa Docteur ANDRIAR Samuel fa ny famoahana ny gazety “HAY” no tsangambato lehibe hanamarika ny fankalazana izao taon-jaobily volafotsy izao.
