RAHARAHAM-PIRENENA : Mbola Tetezamita indray ve ilay antsoina hoe GENIE ?

Miteraka resabe ankehitriny ilay drafitrasa mitondra ny anarana hoe GENIE. Nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo dia efa misy fototra iorenana na Charte de Transition d’Entente Nationale (TEN) nanomboka niparitaka eran’ny tambazotra sosialy izay mitono tena ho rafitry ny GENIE ary nampitsangana mpanao politika sy mpamakafaka ny fiainam-pirenena sasany. Efa nandalo fotoana ana tetezamita maromaro ihany ny firenena nanomboka tamin’ny 1972 ary ny farany tena nanamarika ny sain’ny vahoaka dia ilay tamin’ny 2009 izay nihitatra hatramin’ny 2013 ary niteraka olana be dia be.

TOE-TSAINA « GASITSARA » : Mahomby hialana amin’ny fahantrana

Marary ny fiarahamonina malagasy ankehitriny. Taratra izany eny anivon’ny tokantrano ary mihanaka hatrany anivom-piarahamonina. Ny fahaverezan’ilay Soatoavina fototra dia ny fihavanana no anisany anton’izany. Ilay fizarazarana ara-pinoana, ara-politika, ara-pirazanana ary ny ara-poto-kevitra dia lasa fifankahalana, fiandrasan-kendry tohana mety ho tonga hatrany amin’ny fandatsahan’aina mihitsy aza. Maro ireo antony mahatonga izany fa ny voalohany indrindra amin’ireny dia Rafahantrana.

TOE-TSAINA « GASITSARA » : Mahomby hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana

Iaraha-mahalala fa tena efa mamaivay tanteraka ny lafiny tsy fandriam-pahalemana na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra. Mampikaikaika ny maro ny fisian’ny fanafihana etsy, fanendahana eroa, vaky trano etsy, fandrobana eroa. Matetika dia miafara amin’ny famonoana mivantana na an-kolaka satria ilay saina mihitsy no simba rehefa avy noraofin’ny olon-dratsy, tao anatin’ny fotoana fohy izay nohariana sy nisasarana nandritra ny taona maro.

IBERANANDRASANA JHONA AUGUSTIN : « Anisany nanimba ny Maha-malagasy ny fivavahana kristianina »

Ankoatry ny fibosesehan’ireo riba sy kolontsaina ary fomba amam-panao vahiny teto amintsika izay niteraka fahaverezana sy fahapotehana teo amin’ny soatoavina malagasy toy ny firaisankina, fihavanana, sns dia tsy azo lavina, hoy i Iberanandrasana Jhona Augustin fa anisany naha potika ny « Maha-malagasy » ihany koa ny nidiran’ny fivavahana kristianina teto Madagasikara.