TOE-TSAINA « GASITSARA » : Mahomby hialana amin’ny fahantrana

Marary ny fiarahamonina malagasy ankehitriny. Taratra izany eny anivon’ny tokantrano ary mihanaka hatrany anivom-piarahamonina. Ny fahaverezan’ilay Soatoavina fototra dia ny fihavanana no anisany anton’izany. Ilay fizarazarana ara-pinoana, ara-politika, ara-pirazanana ary ny ara-poto-kevitra dia lasa fifankahalana, fiandrasan-kendry tohana mety ho tonga hatrany amin’ny fandatsahan’aina mihitsy aza. Maro ireo antony mahatonga izany fa ny voalohany indrindra amin’ireny dia Rafahantrana.

Nisy fiantraikany ratsy teo amin’ny fomba fiaina sy fisaina eo amin’ny tsirairay ny fahantrana. Nivadika ilay ohabolana feno fahendrena napetrak’ireo razantsika hendry sy lalim-pandinihana nanao hoe : “Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana”. Ny “Aleo very tsikalakalam-pihavanana toy izay very tsikalakalam-bola” izao no manjaka sy mahazo laka.

Tsy hifanomezan-tsiny angamba, hoy ianao fa ny “kibo tsy mba lamosina” ary “aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy”. Teraka ao anatin’ny maro amin’izay ilay hoe ; “Ny vola no maha Rangahy” sy ny “Ny vola no hozatry ny fiainana” noho Rafahantrana efa tena lalim-paka loatra. Lasa vaindohan-draharaha eo amin’ny andavan’androm-piainan’ny maro ankehitriny ny “Vola”, “Sôsy”, hoy ny fitenin-jatovo. Noho ny fanompoana diso tafahoatra an-dRavola sy ny heriny dia tsy vitsy ireo roboka amin’ny asa fanaovan-dratsy amin’ny endriny marolafy. Ny toe-tsaina no vao mainka nampahantra, nefa ny fahantrana koa etsy andaniny mbola mitaiza toe-tsaina. Nanjavona tanteraka ilay soatovina sarobidy amintsika mianakavy nimatimatesan’ireo raiamandreny tany aloha dia ny “Hasina” izany.

Raha miara-mientana isika isam-batan’olona miaraka amin’ireo ambaratongam-pahefana rehetra miezaka mametraka ilay toe-tsaina “Gasitsara” dia azo inoana fa hiova izao zavamisy izao. Ny fiantsoana ny Gasy tsirairay ho “tsara” manko dia efa toy ny vy miana hanentana azy ireo sahady ho amin’ny tsara sy hanao ny tsara ary hanamafy indrindra ihany koa ny fiantsoana ilay “Tsara” hidina sy hiasa eo amin’ny fiainan’ny tsirairay tsy iza izany fa ilay loharanon’ny hatsarana dia Andriamanitra izany.

Hiverina miandalana, araka izany, ireo kolom-pahendrena sy ny kolo-hasina noho ny efa iantsoana isan’andro ilay tompon’ny hasina sy ny fahendrena. Hahazo laka indray ny hoe : “Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon’ny loha”, ‘Ny adala no tsy ambakaina, Andriamanitra no mahatahotra”.

Ny fiantsoana hoe : “Gasitsara” tokoa mantsy dia efa tena kolo saina mivantana ho an’ny tsirairay rehefa henon’ny sofina ka tsakotsakoin’ny aty fo sy fanahy. Ho zary lasa fiarahamonina mivoy ny fifampihainoana, fifampitsinjovana, fifanajana, fiaraha-misalahy, firahalahiana anaty fandriampahalemana. Ireo rehetra ireo mitambatra hitondra antsika ho any amin’ny fampandrosoana. Ny toe-tsaina “Gasitsara”, araka izany, no tena fanoitra lehibe indrindra ho an’ny kolo-piaraha-monina tena izy, mba hiadana sy ho finaritra ary ho sambatra tokoa ity nosindrazantsika ity.

Vous aimerez aussi