Ho fanamafisana sy fampitomboan hatrany ny fifandraisana misy eo amin’ireo mpisehatra amin’ny fikirakirana mofomamy toy ireo mpanamboatra izany, ireo sekoly mampiofana, ireo mandraharaha amin’ny fivarotana ireo fitaovana fanamboarana mofomamy ary ireo mpamokatra sy mpanafatra ireo akora fototra. Ireo mitambatra no nanosika an’i Chef Rakotomalala Mamihery « Mamihery pâtissier », hanatanteraka ny « Salon de la pâtisserie.
Catégorie : Samihafa
NJILA & :POOPY Hiaka-tsehatra etsy Antsahamanitra
Raikitra ! Ny tolakandron’ny Alahady 06 aogositra ho avy izao, etsy Antsahamanitra, no hanatanteraka rindran-kira, i Njila sy i Poopy. Seho tohin’ireo hetsika entin’i Poopy nanamarika ny faha- 40 taona nihirany izy ity, hoy ny « Evencia production » mpiketrika ny fampisehoana.
FANKALAZANA NY FAHA 18 TAONAN’NY RHEFI AO AMIN’NY COLISEUM ANTSONJOMBE : Efa vonona ny fandraisana ireo mpino avy amin’ny lafy valon’ny nosy
Ny 13 aogositra hoavy izao ny fankalazana ny faha 18 taona nijoroan’ny Rhéfi eto Madagasikara no ho tantetahina eny amin’ny Coliseum Antsonjombe.
Milaza ny heviny ny Mpijery fahitalavitra
Aoka ianao hitandrina Andriamatoa Filoha amin’ny manodidina anao satria 70% données statistiques zay navoaka dia tsy marina avokoa. Tsy misy fake site tompoko ny banque mondiale.
APOGENIIES : Fanazavana hoentin’dRtoa Sabrina Lukacs sy Atoa Tsila Andrian
Inona tsara ny atao hoe ApoGENIIES sy GENIIES ? Amin’izao resabe amin’ny fifidianana ny ho filoham-pirenena izao dia nitondra ny fanazavany ny mpandray anjara anankiroa ao amin’ny ApoGENIIES : Rtoa Sabrina Lukacs sy Atoa Tsila Andrianina.
SOEUR FABIOLA : Mahazo fandrahonana ho faty
Nanao sesilany ny fanaratsiana sy ny fandrahonana ho faty voarain’i Sœur Fabiola taorian’ny fiparitahan’ny fanehoan-kevitra tao amin’ny tambajotran-tserasera Facebook mikasika ny fahitany mpanakanto roa tany amin’ny helo, izay nambarany tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray tamin’ny herinandro lasa teo.
DR. YVES RAVELOSON : « Azo atao ny mivelona 100 taona mahery ary salama »
“Azo atao tsara ny mivelona mandritra ny 100 taona mahery nefa mbola anivon’ny fahasalamana”, hoy ny Dr. Yves Raveloson. Tsy tsiambaratelo akory izany, hoy izy fa ny “fomba fiaina” amin’ny ankapobeny no mila amboarina sy ahitsy mba ho ela velona amin’ny fiainana.
SEHO « RAISO NY TOERANAO » : Ho fiderana maroloko tanteraka
Antso fiderana, Isaac De Paul, Taf’Yray, SLKM Mamory Itaosy ary Asaph. Ireo no tarika mpihira evenjelika hifandimby eny an-tsehatra ao anatin’ilay seho “Raiso ny toeranao”. Ho tanterahana, eny amin’ny Kianja maitso Antsavatsava Itaosy, ny tolakandron’ny rahampitso Sabotsy 24 jona izao, hanomboka amin’ny 01 ora sy iray minitra.
JEAN NIRINA RAFANOMEZANTSOA : Nampihen-danja ny ray eo anivon’ny fianakaviana ny fivoaran’ny teknolojia
Nanome ny heviny mahakasika ny toeran’ny ray eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina ary ny firenena ny mpandalina fiarahamonina malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa. Nihen-danja izany toeran’ny ray izany ankehitriny, hoy izy, noho ny fandrosoan’ny teknolojia. Aminy anefa dia toy ny « kapitenin-tsambo » izany ray izany eo anivon’ny tokantrano.
TARIKA « SOLIKA » : Hanolotra seho miavaka ho an’i Neny
Elaela tsy niaka-tsehatra ny tarika “Solika” ! Hifanome fotoana ho an’ireo mpankafy ny bagasy teatraly sy ireo Renim-pianakaviana tonga fety, izy 18 mianadahy, izay efa ahitana tanora lahy sy vavy mandrafitra azy koa ankehitriny, ny alahady 04 jona, ho avy izao, eny amin’ny Espace Rose By-pass.
