« MOLLOS PARK » : Toeram-pikotranana sy fialamboly mahasondriana

Tsy lavitra, etsy Ampandrana, ampitan’ny « Cafe gasy », no ahitana ny « Mollos park ». Toerana tony, madio rivotra nefa miorina afovoan’Antananarivo. Samy hita eny an-toerana avokoa ireo fitaovam-pikotranana sy fitaizam-batana ary fialana voly toy ny Baby foot, billard, boule, zumba fitness, « i chavire – vole » sns. Ny « Mollos park » irery ihany koa no manana ny fotodrafitrasa takiana amin’ny fanaovana ny « Ninja warrior » eto Iarivo.

JENERALY ALFRED RAKOTOMARONIRINA : Vonona hampandroso ny Distrikan’i Kandreho

Olona manana vina ary vonona hitady izay hahasoa ny mpiray tanindrazana aminy ny Jeneraly Rakotomaronirina Alfred. Raha ny voalazany dia olana lehibe iainan’ny mponina any an-toerana ny tsy fahampian’ny rano fisotro madio ka vonona izy ary efa ao anaty “Projet” ny fampidirana rano fisotro madio any amin’ny Distrikan’i Kandreho raha ny nambarany hatrany.

« TEMPOLY XIZU » ANDRANOVELONA : Ho vita ny volana Oktobra

Ny volana Oktobra ho avy izao no ho vita tanteraka ny asa fanorenana ny « Tempoly Xizu » eny Andranovelona. Tsiahivina fa ny taona 2019 no nanomboka ny asa fanorenana ireo foto-drafitr’asa eny Andranovelona izay iantsorohan’ireo mpiasa malagasy miisa manodidina ny 700 lahy. Moines mpitoka-monina miisa 60 ankehitriny no efa monina eny Andranovelona, Kaominina Fihaonana, distrikan’Ankazobe.